Nandray ny masoivohon’ny Repoblika Islamikan’i Iran miasa sy monina eto Madagasikara, Hassan Ali Bakhshi ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, teny Ampahibe. Nisy fanaovana tombana ny fiaraha-miasa efa nisy nandritra ny taona maro sy ireo fifanarahana mbola azo tanterahina. “Mbola vitsy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny […]
Fiaraha-monina
Tantsaha any Mananara Avaratra: “Omeo fahazoan-dalana ireo mpisehatra lavanila”
Anisan’ny miandrandra ny hanomezana ny fahazoan-dalana “Agrément” ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny lavanila, miaraka amin’ireo tantsaha mpamokatra. Naneho ny heviny ny solontenan’ny tantsaha any Mananara Avaratra. Nambaran’ i Velo Rosalin fa tsy tena mivaha ny olan’ ity seha-pihariana ity na teo aza ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Anisan’izany ny fanalalahana. […]
Vatsim-pianarana : nivoaka ny tetiandro fizarana
Ny faran’ny herinandro teo, namoaka ny tetiandro hivoahan’ny vatsim-pianarana mandritra ny 5 volana sy ny fampitaovana ho an’ny taom-pianarana 2022-2023 ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Samy manana ny tetiandro hamoahana izany ny oniversite rehetra toy ny eto Antananarivo, Toamasina, Toliara, Mahajanga ary Atsinanana sy Fianarantsoa. Hanomboka amin’ny […]
Fahasalamana : mamono ao anatin’ny andro vitsy ny tazomoka tsy voatsabo
Nitondra fanazavana amin’ ny fahamailoana amin’ny aretina tazomoka ny dokotera Andritiana, avy amin’ny USAID Access sy ny Dr Raharilalao Nomenjanahary, misahana ny sampandraharaha miady amin’ ny tazomoka ary ny Dr Joss, avy ao amin’ny USAID. Mamono hainga be ny aretina tazomoka raha tara ny fitsaboana. Mila porofo amin’ny alalan’ny fitiliana […]
Laza adina CEPE : efa tonga eny amin’ny minisitera foibe
Efa tonga eo anivon’ny foiben’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny santionan’ ny laza adina CEPE. Avy any amin’ny Cisco sy ny Dren hisafidianana hampiasaina amin’ ny fanadinana CEPE 2023, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny pedagojia, Andriamiakatsilavo Raoniherijaona. Manana 20 andro ny teknisianina ao amin’ny minisitera hifantenana ny laza adina farany haroso amin’ny […]