Fiaraha-monina

fandaharam-pibeazana eny amin’ny EPP sy CEG : notombanana ny boky 56 enti-mampianatra

Eo am-panavaozana ny fandaharam-panabeazana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’izao fotoana izao. Rehefa hirosoana ny fa­natsarana, hisy koa ny fanavaozana ny boky enti-mampianatra hahazoana ny kalitao kendrena. Notom­banana ny boky fampianarana 56 efa nampiasaina ampolo taona maro teny amin’ny EPP sy ny CEG teto amintsika. Boky ho an’ny taranja Kajy sy Frantsay […]

Kaominina Anosiala sy Ambohidratrimo : nianatra ny paikady fitadiavan’asa ny tanora

Ambohipihaonan’ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa ny teny Ambohidra­trimo, ny sabotsy teo. Nam­piofana ny tanora indray ny LCS, izay tarihin’i Fenozana­ny Stephanie sy ireo ekipa miaraka aminy. Nianatra manokana ny paikady fiatrehana ny fitadia­van’asa izy ireo tamin’izany. Nampiakatra ny fahaizana sy ny faharisihana hisehatra amin’ny asa ny fifehezana ireo […]

OMS Genève sy Afrika : nohamafisina ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana

Nitsidika an’i Madaga­sikara ny OMS Genève sy Afrika, ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny anton-dian’izy ireo. Teboka maromaro no na­voitra hanatsarana ny kali­taon’ny fitsaboana. Nojerena manokana ny fanatsarana ny paikady hampihenana ny ta­ham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara. Mbola ambony […]

Faritra Matsiatra Ambony : marolafy ny fanatsarana ny fanabeazana natao

Fararanon-danonana ho an’ny fanabeazam-pirenena ny tao Matsiatra Ambony. Fotodrafitrasa maro no notokanana. Samy nahazo ny anjarany na ny mpampianatra na ny mpianatra. Nitety Cisco maromaro ny hetsika amin’ny seha-panabeazana tao amin’ny faritra Matsiatra Am­bony, ny faran’ny herinandro teo, izay natrehin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sa­hondrarimalala Marie Mi­chelle. Tao amin’ny Cisco Am­balavao, […]

Fijery hafa sy lavidavitra kokoa amin’izay…

Ny takaitra navelan’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, ny dona vokatry ny adin’i Ukraine sy i Rosia, ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro… Ireo no tsy maintsy hatrehina sy zakain’izao tontolo izao ankehitriny. Ady fiady… Mandra-pahoviana? Tsy misy afa-bela na ireo firenena heverina ho mandroso sy matanjaka aza. Anisan’ny miharihary tsy takona afenina […]