Tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fahasalaman’ny saina. Lohahevitra tsy resahana matetika nefa mahakasika olona maro eto amintsika ny fikorontanan’ny saina, ny fahakivian-tsaina tanteraka (dépression) ary ny rarin-tsaina (stress), hoy ny psychologue sady mpanolontsaina teknika momba ny fahasalaman’ny saina eo anivon’ny ONG Humanité £ Inclusion (HI), Rakotondrazanany Stacy, rehefa […]
Fiaraha-monina
EPP Anosivavaka : 430 ireo mpianatra nisitraka ny fotodrafitrasa vaovao
Notokanana omaly ny fanavaozana fotodrafitrasa teny amin’ny EPP Anosivavaka. Miisa 430 ireo mpianatra nisitraka izany. Tonga nanatrika izany ny avy amin’ny solon-tenam-panjakana maro samihafa. Notokanan’ny Fondation Viseo, omaly, ny EPP etsy Anosivavaka, ao anatin’ny boriborintany fahenina. Nisitraka izany ireo mpianatra 430 eo anivon’ny sekoly. Niarahany niasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra […]
CEPE sy BEPC : anatin’ny roa volana farany no hanaovana andrana
Efa tapitra ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC, taona 2023. Nanomboka ny 23 janoary ary nifarana ny 24 marsa teo ho an’ny CEPE ary ny 30 janoary ka hatramin’ny 31 marsa lasa teo ho an’ny BEPC. Mbola miandry ireo sekoly tara amin’ny fanaterana ny antontan-taratasy ny mpitantana […]
USAID Access : mitentina 36 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola fanampiny
Nampahafantarina, omaly, tetsy Ankorondrano fa hitohy hatramin’ny volana marsa 2025 ny fandaharanasa USAID Access, izay tanterahin’ny MSH, momba ny fahasalamana. Nahazo famatsiam-bola fanampiny, mitentina 36 tapitrisa dolara, ny tetikasa hahafahana manohy ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Tafakatra 126 tapitrisa dolara, araka izany, ny vola ho an’ny tohana […]
Boriborintany IV : 600 isan’andro ny nizaha fahasalamana
Nidina mivantana teny amin’ny fokontany Anosibe Angarangarana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly, nijery ny fizotran’ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana karakarain’ny CUA. Nampiavaka ity hetsika andiany manaraka ity, ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fikambanana Manjaka Vintana Beton Armée, izay nanao ny fanentanana isam-baravarana teny ifotony. Nahaliana ny […]