Fiaraha-monina

Fisorohana ny herisetra any an-tsekoly : nizarana boky torolalana ny mpanabe

Ny herinandro lasa teo, nisehoana herisetra teny Ambohipo, mpianatra tao amin’ny CEG no nifanindrona antsy tety ivelan’ny toeram-pianarana. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy sy ny mpitantana ny Cisco Antananarivo Renivohitra ary ny CEG na tsy tany an-dakilasy aza no nitranga ny herisetra. Mbola hanaovana fa­nadihadiana ilay na­nao herisetra ary […]

MDN : voatendry ho talen’ny kabinetra ny Jly Bearson

Tontosa omaly teny amin’ ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny kabinetra teo aloha, ny Jly Rajaonarivony Alexan­dre sy ny tale vaovao, ny Jly Andrianaivohery Bearson. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka no nanatanterahana izany. Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Razafindra­tovo […]

CUA – Fetin’ny Paska: 445 ireo polisy monisipaly hiparitaka eto Antananarivo

Manodidina ny 445 ireo polisy monisipaly hiparitaka eto Anta­na­na­rivo aloha sy mandritra ny fetin’ny Paska. Hiaro sy hiandraikitra ny filaminam-bahoaka izy ireo mandritra izany. Ho fitandroana ny filaminam-bahoaka mandritra ny fetin’ny Paska. 445 ireo polisy monisipaly hahetsika ary hiandraikitra raharaha maro samihafa eto Antananarivo. Hiatrana manerana ny toerana rehetra izy […]

Autisme Madagascar : “Tsy misy politika fiahiana ny olona marefo”

Nanadihady momba ny fiahiana manokana ny olona manana fahasembanana nandritra ny fisian’ny valanare­tina Covid-19 tao anatin’ny faritra enina be mponina in­drindra ny fikambanana Au­tisme Madagascar. « Mitovy isika miatrika ny Covid-19 » ilay tetikasa ary niompana tamin’ny faritra Boeny, Atsi­nanana,Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana ary Analamanga. Nivoitra taorian’ny fanadihadiana notanterahina nandritra ny […]

Seces Fianarantsoa : “Aza andrasana hihetsika ny mpampianatra…”

Manoloana ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato ta­min’ity herinandro ity, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Fianaran­tsoa fa toherin’izy ireo ny fidiran’ny mpitandro filaminana ny faritry ny oniversite sy ny fanalana ny “franchise universitaire” nahafahan’izy ireo niditra sy nisambotra mpi­anatra nandritra ny hetsika. Nanelingelina sy nampisavoritaka ny […]