Nitondra fanazavana ny tetikasa Produir ny amin’ny maha zava-dehibe ny fanadiovana ny lakandrano C3 izay misy akony amin’ny fahasalamam-bahoaka. Fantatra tamin’izany fa ahitana karazana loto simika sy biolojika ny fotaka voatahiry ao anaty lakandrano. Rakotra fako mifangaro amin’ny fotaka anefa ireo singa notsongaina tao ireo. Mitondra loza eo amin’ny tontolo […]
Fiaraha-monina
Tetikasa Avotse : nanome koba 7 t ny Groupe CFAO Madagascar
Nanatevin-daharana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Avotse ho fanampiana ireo ankizy mpianatra any Atsimo tohanan’ny fikambanana Fitia koa, manomboka izao, ny groupe CFAO Madagascar. Nanolotra koba 7 t entina hanampiana ireo toeram-pisakafoana an-tsekoly any Atsimo izy ireo hanatevina ny vary sy laoka efa zaraina isan’andro ho an’ny mpianatra, ny talata lasa […]
Atsimondrano : vita ny CEG sy Lycée manara-penitra vaovao
Zava-dehibe ho an’ny mpianatra sy ny taranaka ao Androhibe Antsahadita, distrikan’Atsimondrano, ny fahavitan’ny Lycée sy CEG vaovao ao an-toerana. Notokanana ny faran’ny herinandro teo izany, izay notarihin’ny governoran’ Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Natsangana ho vaovao mihitsy ny fotodrafitrasan’ny Lycée satria efa tena ratsy ka nanaovana ezaka manokana ho mendrika ireo mpianatra. […]
Toetry ny andro : manomboka ny volon’andro ririnina
Nahatsapa hatsiaka ny mponina amin’ny afovoan-tany andro vitsy nisesy izay. Nilaza ny mpamantatra ny toetr’andro fa hamaritra ny toetry ny andro eto Madagasikara ny tsokan’ny Varatraza ka haka ny volon’andro ririnina manerana ny Nosy. Rahampitso, efa miraraka ny zavona ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany sy Alaotra Mangoro ny vao maraina. […]
Vovonana nomerika amin’ny CEG 15: nahazo fampitaovana i Taolangaro
Anisan’ireo faritra misitraka ny fampitaovana nomerika ny foibem- pitondram- paritry ny fanabeazam-pirenena, faritra Anosy. Notontosaina tao amin’ny CEG de Référence Taolagnaro ny fanolorana ny fitaovana ahitana “box 1” misy 65 Go isam-bolana afaka hampiasana ordinatera 30 sy fanapariahana ny vovonana nomerika vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny mpiara-miombon’antoka Unicef sy orinasa Airtel […]