Hiodina tsy ho ela ny zotra teleferika mampitohy an’Anosy sy Petite Vitesse satria efa tomombana tsara ny ara-teknika sy azo antoka. Mitohy ny asa ho an’ny zotra hafa Nanao tatitra mahakasika ny fitaterana an-tariby ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard. Nisongadina tamin’izany ny hampandehanana […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Ahitana fiakarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Avo telo hatramin’ny efatra heny mihoatra ny fetran’ny OMS ireo refy rehetra voaray. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho mankarary ireo olona marefo ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo. Tombanana mbola hitoetra ny zavona ny maraina amin’ny ankamaroan’ny faritra maro […]
Sampana teknika : tsara ny taham-pahafahana fanadinana
Efa nivaly avokoa ireo fanadinana isan-tsokajiny ho an’ny ivontoeram-panofanana sy lisea teknika manerana ny Nosy, nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arakasa. Nahafa-po ny vokatra azo amin’ny ankapobeny, hoy ny tomponandraikitra. Ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny amin’ny LTP. Miisa 42386 ny mpiadina tonga teny anivon’ny foibem-panadinana 183. […]
Trano mora : miroso amin’ny fifanarahana ara-barotra
320 ny trano mora natsangan’ny fanjakana eny Imerintsiatosika. Nihaona tamin’ireo olona nahafeno fepetra sy efa vita fisarihana hisitraka izany ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana, ary nitondra fanazavana ny amin’ny dingana fandoavam-bola. Nampahafantarina azy ireo ny fahafahan’ny sokajin-tokantrano tsirairay manefa ny vidin’ny trano ary ny fanohizana ny dingana […]
Fanavaozana ny karinem-pokontany: hijerena ny sosialim-bahoaka isaky ny tokantrano
Ezahina hovitaina amin’ity taona 2024 ity ny fanatontosana sy fanavaozana ny karinem-pokontany isan-tokantrano manerana an’i Madagasikara. Mba hahafahan’ny tokantrano misitraka ny lafin’ny maha olona sy ny sosialim-bahoaka. «Amin’ity taona ity, tokony hanana karine vaovao avokoa ny tokantrano tsirairay avy», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy […]




