Nampahafantarina afakomaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny tetikasa lalankely andiany fahatelo. Tantanan’ny orinasa GRET sy vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) vola. Hisitraka izany ny fokontany 75 eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Havaozina sy hamboarina avokoa ny lalankely any anelakela-trano rehetra, ny arabe, tatatra, paompy, fanasan-damba, trano fidiovana, trano […]
Fiaraha-monina
Tetikasa Elatra : harenina ireo vehivavy niharan’ny herisetra
Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny tetikasa Elatra, tarihin-dRasamimanana Onjaniaina sy Randolph Jilliana. Miompana amin’ny fanohanana ny vehivavy niharan’ny herisetra mba hiverina hanana ny toerany eo anivon’ny fiarahamonina sy eo amin’ny seha-pihariana misy azy ny tetikasa. Miisa 100 ireo vehivavy kendren’ny tetikasa hotohanana hatramin’ny faran’ity volana marsa ity. Vehivavy 400 mahery […]
Brickaville : mpampianatra 250 nampahafantarina an’Ambatovy
Ho fampahafantarana ny tetikasa Ambatovy, nisy ny fizarana vaovao tamin’ireo mpampianatra ao Brickaville ny volana janoary sy febroary teo. In’efatra miantoana ny fihaonana. Nahafahana nizara vaovao tamin’ireo mpampianatra 250 tany an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny politikan’ny mangarahara sy fizaram-baovao mikasika ny orinasa amin’ny besinimaro ny fikarakarany fihaonana fampitam-baovao sy […]
Ady amin’ny Sida : nanolotra 19 tapitrisa Ar ny tetikasa Ambatovy
Mitentina 19 tapitrisa Ar ny fanomezana natolotry ny orinasa Ambatovy hanampiana amin’ny ady amin’ny VIH/Sida ao Moramanga, tamin’ny volana janoary teo. Ahitana karazana fitaovana enti-manabe, fanamiana enti-miasa, petadrindrina sy takelaka fanentanana samihafa ny fanampiana nomena tamin’izany. Hanampy ireo tanora mpanabe olon-tsahala sy mpiasan’ny sampandraharahan’ny Fahasalamam-bahoaka ao amin’ny distrikan’i Moramanga (SDSP) […]
Tetikasa Bring O2 : tavoahangin’oxygène 100 ho an’ny hopitaly Befelatanana
Nanolotra tavoahangin’oxygàne miisa 100 ho an’ny hopitaly Befelatanana ny ONG Pivot, ao anatin’ilay tetikasa Bring O2, omaly. Ankoatra izany ny kojakoja ara-pahasalamana,mitentina hatramin’ny dimy alina dolara. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa, ny fikojakojana ny fitaovana famokarana oxygène hahafahana mampiasa izany maharitra. Misy ny fampiofanana ny teknisianina mikirakira ny fitaovana. Homena fahaiza-manao […]