Nanomboka ny fiandohan’ny taona teo, afaka maka fimailo maimaimpoana eny amin’ny farmasia ny tanora latsaky ny 26 taona any Frantsa. Paikady noraisin’ny fanjakana frantsay hampidinana ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST) tsy voaaro izany. «Nahatratra 2 tapitrisa sahady ny fitaovam-piarovana nozaraina», hoy ny minisitry ny Fahasalamana, François […]
Fiaraha-monina
St valentin : mivoatra manaraka ny toetrandro ny fanomezana
Fotoana iray hanamarihana ny andron’ny mpifankatia anio. Toy ny isan-taona, samy manao izay ho afany ireo mpivarotra misarika ny mpanjifa hividy fanomezana hatolotra ny olon-tiana. Mivoatra manaraka ny toetrandro ny karazana fanomezana atolotra. Mbola eo foana anefa ny voninkazo raozy izay atolotry ny lehilahy ny vehivavy matetika. Fa eo indrindra […]
Herinandron’ny mpifankatia: manavao ny fiainam-pitiavan’ny tanora ny FJKM
Anisan’ny manakorontana ny fiainan-tokantrano ny fanilihana sy tsy fiekena ny hadisoana. “Ny fahaizana mandini-tena sy mahay mandray andraikitra no vahaolana”, hoy ny mpitandrina Razafimanantsoa Heriliva. Fetin’ny mpifankatia! Nikarakara hetsika vontom-pitia ho an’ny tanora sy ny mpivady ny kaomitin’ny fiainam-pianakaviana eo anivon’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, omaly. Tanterahina etsy Analakely […]
Chocolat : tsy ampy ny fitaovana famokarana eto an-toerana
Mbola misedra olana ny famokarana chocolat eto Madagasikara, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Edenia Rajerison Achille, raha nanontaniana, afakomaly. Nilaza izy fa tsy ampy ny fitaovana enti-mamokatra sy manodina ny chocolat. “Tsy maintsy manafatra sy mividy avy any ivelany”, hoy izy. Nambarany fa tsy ampy vola sy fitaovana enti-mamokatra koa […]
Afovoan-tany : maina ny andro anatin’ny hateloana
Ho maina ny toetry ny andro saika manerana ny Nosy ao anatin’ny hateloana ankoatra ny faritra Boeny sy Sofia ary ny toerana vitsivitsy amin’ny ilany andrefan’ny afovoan-tany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny sampana famantarana ny toetry ny andro. Hahazo orana tandrifin-drahona Analanjirofo. Manomboka amin’ny alakamisy vao hahazo orana bebe […]