Dingana lehibe ho an’ny fitsaboana malagasy ny fahavitan’ny toeram-pandidiana fo, misokatra ho an’ny ankizy, voalohany eny amin’ny Cenhosoa. Maro ny zaza efa miandry fotsiny ny fotodrafitrasa ka tsy ho voatery handeha any ivelany intsony raha mila izany. Efa mandray fandidiana nanomboka ny volana mey lasa teo ny toeram-pandidiana voalohany ny […]
Fiaraha-monina
Lycée teknika : Tapitra androany ny fanadinana BEP
Hifarana androany, izay naharitra efatr’andro, ny fanadinana Brevet d’études professionnelles (BEP) ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa manerana ny Nosy. Raha toa ka efa tapitra omaly kosa ny Certificat de fin d’apprentissage (CFA) ho azy ireo. Fanadinana ara-panjakana natokana ho an’ireo nisafidy ny làlam-piofanana arakasa ny diplaoma BEP. […]
Mpisolovava, sampana Toliara : nahazo trano fiasana vaovao
Notokanana ny zoma 28 jolay lasa teo ny trano vaovao an’ny Holafitry ny mpisolovava, sampana Toliara. Tonga nitokana izany ny filohan’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara. Nanotrona azy tamin’izany ireo mpanolotsaina mandrafitra ny biraon’ny holafitra sy ireo mpisolovava any an-toerana. Teo koa ireo manampahefana avy any an-toerana. Nanentana ny olona […]
INDRAY MIJERY
Efa manomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana BEPC ny talata lasa teo, hoy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manao ny ezaka rehetra ny minisitera amin’ny fivoahan’ny valim-panadinana faran’ izay haingana. Misy ny laharana maitso 921 azo iantsoana mivantana ny minisitera raha sendra misy tranga tsikaritra mahakasika ny fanadinana sy ny fanabeazana. Tsy ny […]
Manoloana ny fahantrana : lasa entam-barotra ny ankizy
Mitaky ezaka amin’ny lafin-kery rehetra ny ady amin’ny fampiasana ankizy eto Madagasikara. Mbola maro ireo ankizy lasibatra vokatry ny fahantrana ka voatery miasa na lasa entam-barotra mihitsy. Niresaka manokana momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy ny mpitsara ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mahajanga sady lefitry ny lehiben’ny fampanoavana, Rasoahasinjara […]




