Fiaraha-monina

Sehatry ny rano : hampirisihana hiditra ny tanora

Notanterahina tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina, afakomaly, ny atrikasa momba ny filana sy fanofanana ny asa mahakasika ny rano eto Madagasikara. Atrikasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Defi eau”. Fandaharanasa eoropeanina hametrahana Sampam-pampianarana momba ny rano eny amin’ny Oniversitem-panjakana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy. “Ho fampiofanana sy fampirisihana ny tanora […]

Sendikan’ny MEETFP: “Mitaky minisitra manana traikefa izahay”

Nilatsaka sahady ny fampiomanana. Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Sendikàn’ny Fampia­na­rana teknika sy fanofanana arakasa (ST MEETFP), omaly. Nambaran’ny sekretera jeneraly nasionaly, Rakotoarison Claude Marie, nanao sonia izany, fa tena nitotongana ny sehatry ny fampianarana teknika nandritra ny taona maro. Manoloana izany, nametraka fepetra sy masontsivana izy ireo amin’ny fanendrena […]

INDRAY MIJERY

Tanterahina amin’ity herinandro ity ny fanadinana Brevet d’études professionnelles (BEP) sy ny Certificat de fin d’apprentissage (CFA) ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Mahatratra 10 625 ireo mpiadina manerana ny Nosy, izay mitsinjara amin’ny foibem-panadinana 89, ka sehatr’asa 30 no hanatanterahina izany fanadinana izany. Hiserana ny varatraza anio […]

Tetikasa Rindra : nampiofana amin’ny fifindran-toerana

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana mifindra toerana eto amin’ny faritra Analamanga, ao anatin’ny tetikasa “Rindra”. Tohanan’ny USAID sy ny Pnud ity tetikasa ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa. “Zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantanana ifotony amin’ny tamberin’andraikitra, ny fa­hombiazana […]

BEPC-Toamasina: misy voafonja efatra mianadahy

Nilamina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanadinam-panjakana faharoa, BEPC, ho an’ny faritra Atsinanana, notanterahin’ireo solontenam-panjakana, raha ny hita tao amin’ny Lycée Jacques Rabemananjara. Ho an’ny faritra Atsinanana manokana izay misy fari-piadidiam-pampianarana miisa fito, mahatratra 17 523 ny isan’ny mpiadina, mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 57. Raha ny ao an-drenivohitry ny faritra […]