Mbola maro ny olana momba ny fahasalamam-bahoaka mahakasika ny sokajin’olona rehetra. Mila fanavaozana ny rafitry ny fahasalamana mba hisitraka tolotra manana kalitao ny daholobe. Napetraka, omaly, teny Ankorondrano, ny komity hanatsara ny rafitry ny fahasalamana eto Madagasikara. Iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpanohana eo amin’ny lafiny vola sy teknika izany. […]
Fiaraha-monina
Kaominina Antsahalalina: nahazo ivontoerana Maman kangourou ny CSB II
Lasa tanàna Orange Antsahalalina, distrikan’i Manjakadriana ny taona 2019 noho ny fanohanana nentin’ny Fondation Orange nahafahana nanavao tanteraka ny fotodrafitrasa samihafa. Efatra taona aty aoriana, nahazo ivontoerana manolotra fikarakarana ny zaza menavava, Maman kangourou, ny kaominina. Ny tobim-pahasalamana fototra CBSII ihany no nohatsaraina sy nampitaovana handraisana ireo zaza vao teraka. […]
Andron’ny vehivavy: sahanasa maro no hanamarihana ny 8 marsa
Hiompana amin’ny karazana sahanasa maro ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy amin’ity taona ity. Lohahevitra hovoizina amin’ izany ny hoe: “Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy”. Eo ambany fitarihan’ny fikambanana Fitia, tarihin’ny vadin’ny filoham-pirenena ny hetsika rehetra. Ho eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Mponina. Ny 1 hatramin’ny 5 […]
Sekolim-panjakana: tsy maintsy manaja fitsipika ny mpianatra
Namoaka tenimita ho fampahatsiahivana ny fitsipika aman-dalàna mifehy ny toeram-pianarana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nanasonia izany ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Atoa Rabenandrasana Théophil. «Tsy maintsy antitranterin’ny talen-tsekoly amin’ny mpianatra ny fanajana ny fitsipika mifehy ny sekoly mandritra ny fananganan-tsaina amin’ny alatsinainy izao. Ny tsy fanajana ireo fepetra dia mitarika fanasaziana izay […]
Manao tampody fohy i Freddy : nahazo filazana fanairana ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana
Na mbola maivana aza ny herin’ilay andro ratsy avy amin’ny sisan-drahon’i Freddy, ahina hivadika ho rivodoza indray izy. Efa nahazo filazana fanairana sahady ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana. Niverina ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, omaly maraina ny sisan’ilay rivodoza Freddy rehefa nijanona andro vitsivitsy tany Mozambika. Malefaka ny heriny. «Lavitra […]