« Sokajiana ho fahavalom-bahoaka ireny nitranga tany Anjozorobe ireny ary tena famonoan’olona… », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy, omaly, teny Ampahibe. Mitohy ny hazalambo na efa tratra aza i Rakom. Nitondra fanazavana momba ilay raharaha fakana an-keriny namoizana ain’olona tao Marotsipoy, distrikan’Anjozorobe, ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana (Emmo/Nat), […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Androy, Anosy, Menabe, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Andrefana. Ireo no Dren 6 nisitraka fampiofanana momba ny fizohiana sy fanaraha-maso ny tolotry ny fanabeazana fototra eny amin’ireo sekoly (Score). Tanjona ny hifehy ny fanaraha-maso eny ifotony amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana hisian’ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra. Mbola mitoetra ao amin’ny morontsiraka atsimo […]
Vatsin’ankohonana : 3 612 ireo tokantrano nisitraka
Tokantrano 2 371 ao amin’ny distrikan’i Mananjary sy tokantrano 1 241 ao amin’ny distrikan’i Farafangana no nisitraka tohana tamin’ny alalan’ny tetikasa Vatsin’Ankohonana ny faran’ny herinandro teo. Nizara mivantana izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fampiasana izany vatsy izany ny fampianarana ny ankizy […]
Fikambanana silamo Ihya : hametraka fiaraha-miasa amin’ i Madagasikara
Tonga eto Madagasikara ireo fikambanana silamo Ihya avy any Turkie. Fikambanana silamo izay misehatra amin’ny asa sosialy sy fampandrosoana isan-tsokajiny. Hametraka fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ny fitondram-panjakana Turque izy ireo. Tanjona ny hampandrosoana ny ara-tsosialy eto amin’ny Nosy. “Maro ny asa sosialy sy fampandrosoana ilain’ i Madagasikara. Toy ny […]
Mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna : manao fitsirihana ny fanjakana
Manao fitsirihana ireo fivarotam-panafody manerana ny Nosy ny fanjakana. Tsy handefitra amin’ireo mivarotra fanafody tsy nahazoana alalana izy ireo. Tra-tehaka ny fivarotam-panafody iray tao Ampefy. Nandritra ny fidinana tany Ampefy, distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy, ny faran’ny herinandro teo, nanaraha-maso ny tontolon’ny fahasalamana any an-toerana no nahatraran’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka notarihin’ny […]





