Nifarana omaly ny atrikasa momba ny zon’ny ankizy, tao amin’ny Carlton, Anosy. Nisy fizarana mari-pankasitrahana ho an’ny mpandray anjara. Nofaranana omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny fivoriambe niarahan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpitsara rehetra eo amin’ny rafi-pitsarana ho an’ny ankizy eto Madagasikara «Tsy tokony ho famonjana avy hatrany […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny Drafitrasa fanatanterahana ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana ho an’ny taona 2024 hatramin’ny taona 2028. Tanjona ny hampitomboana ny isan’ny mpampiasa ny fandrindram-piterahana ho 5 tapitrisa. Fomba iray entina miady amin’ny fahantrana izany, hoy ny filohan’ny Repoblika. Hitsidika ny faritra maro ny filoha hizara ny tombontsoa azo […]
Tahotra amin’ny vohoka aloha loatra : 13 taona dia efa manao fandrindram-piterahana
Miha tongasaina ny tanora amin’izao fotoana ary mitsinjo ny hoaviny. Noho ny tahotra ny tsy fahafehezan-tena amin’ny filana ara-nofo ka mety hiteraka vohoka aloha loatra dia miroso aloha amin’ny fampiasana ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny tanora. Ao amin’ny fokontany Amontana, kaominina Vinaninony, distrikan’i Lalangina, mazoto manao fandrindram-piterahana ny ankizivavy […]
CEPE : nanomboka omaly ny fandikana naoty
Efa vita ny alarobia lasa teo avokoa ny fitsarana ireo taratasim-panadinan’ny ankizy nanala ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny teto amin’ny fari-piadidian’Antananarivo, araka ny voalazan’ny Chef Cisco eto Antananarivo Renivohitra. Tsy niandry ela fa nanomboka omaly, ny dingana fandikana ireo naoty azon’ny mpiadina rehetra. Natao tetsy amin’ny Lycée moderne Ampefiloha (LMA) […]
20 taona ny Institut de la vision Madagascar : hanitatra ny asam-pitsaboana sy hanofana mpitsabo maso
15 000 ny olona tratran’ny katarakta eto amintsika, 1% ny tahan’ny fahajambana ka ny 50% amin’ireo vokatry ny aretina katarakta tsy voadidy avokoa. Tsy mbola ampy ny Malagasy mpitsabo sy mpandidy maso ka izay no antom-pisian’ny Institut de la Vision Madagascar. 20 taona nitsaboana sy nandidiana maso ny Institut de […]




