Fiaraha-monina

Nandoro trano sy nandroba… : voasambotry ny zandary i Tombozandry sy ny namany

Tsy afa-bela teo anoloan’ny zandary sy ireo mpanara-dia ny andian-dahalo tarihin’i Tombozandry sy ny namany. Tsy vitan’ny mandroba ireo malaso fa sady mamono ihany koa… Noraisim-potsiny! Tra­tran’ny zandary ireo dahalo enina voarohirohy tamina halatra tao La­vahandry, fokontany Lohano­sy, kaominina ambanivohitr’i Manambidala, distrikan’i Von­drozo, ny alahady teo. Nisy trangana halatr’omby enina […]

American Corner : mpampianatra teny anglisy 30 niofana

30 mianadahy indray ireo mpitarika English Club hahazo fiofanana sy torolalana maimaim-poana momba ny fananganana sy fitarihana ary fandrindrana ny sehatra fizàrana sy fampianarana teny anglisy. Miofana mandritra ny roa andro eny amin’ny American Corner Antananarivo izy ireo. Miandraikitra ny fandrindrana fikambanana mpankafy teny anglisy na English club moderators training […]

“Clinique Mobile” : hitety vohitra ireo fiarabe hanome tolotra ara-pahasalamana

Notoloran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) fiarabe misy fitaovana afaka mivezivezy (clinique mobile) efatra indray ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka, omaly, teny amin’ny HJRA. Hanampy amin’ny fahaizan’ny mponina miatrika, taorian’ny voina sy ny valanaretina ny fitaovana ary hanatona ny vahoaka any amin’ny toerana lavitra. Betroka, Tao­lagnaro, Antanambao Toliara, ary Ambovombe […]

« Sarobidy ny aiko »: hetsika sosialy manakaiky vahoaka

Nanainga omaly nihazo an’Anosiala, distrikan’Ambo­hi­dra­tri­mo ny fiarabe maromaro hitondra tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana manatona vahoaka « Sarobidy ny aiko ». Miavaka ny tolotra satria mitovy amin’ny omen’ny hopitaly lehibe, miaraka amin’ny fitaovana avo lenta sy mpitsabo manam-pahaizana manokana, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, teny am-piaingana. Hisitraka ny hetsika sosialy avokoa ny distrikan’Avaradra­no, Atsimondrano, […]

Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka: “Tsy nanome fahazoan-dalana hampianatra ho mpitsabo nentim-paharazana”

Namoaka naoty fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana ny firongatry ny tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fanatanterahana ny fitsaboana nentim-paharazana. Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka ny fanokafana toeram-pitsaboana nentim-paharazana sy ny fanatanterahana fitsaboana mifandraika amin’izany. Tsy manome fahazoan-dalana velively hanofana ho mpitsabo nentim-paharazana ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka satria nolovaina fa […]