Fiaraha-monina

Ambohimangakely : mpanao hala-boty iray nidoboka am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alakamisy teo, ilay lehilahy tratra namaky tsenan’olona iray teny Am­bo­himangakely. Mbola karohina kosa ilay namany niray tsikombakomba taminy. Tsiahivina fa saron’ireo zandary mpanao fisafoana teo am-panaovana ny asa ratsiny ireto mpamaky trano, ny alin’ny alahady 08 janoary teo. Novakian’ireto jiolahy tamin’ny “barre à pince” […]

Nampiasa ny « puce » nangalariny: dahalo nanafika ben’ny Tanàna maty voatifitra

Nanafika ben’ny Ta­nàna, maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Vohi­mary, kaominina Ambohitsa­ra, distrikan’i Manakara ny talata 9 janoary teo. Ny alin’ny alatsinainy, niditra an-keriny tao amin’ny tranon’io ben’ny Ta­nàna ao an-toerana io ireo dahalo. Lasan’izy ireo tamin’ izany ny entana rehetra. Nam­pandre avy hatrany ny […]

Lafayette College Pennsylvania: nizara fahaiza-manao tamin’ny mpianatra malagasy

Nihaona tetsy amin’ny ma­soivoho amerikanina Andrano­mena, tamin’ity herinandro ity, ireo mpianatra avy amin’ny Lycée Andohalo ankilany sy ny mpampianatra sy mpianatra amerikanina avy amin’ny La­fayette College Pennsylvania andaniny. Nifanakalo traikefa tamina sehatra marolafy izy ireo. Ta­fiditra ao anatin’ny tetikasa Lafayette Initiative for Mala­gasy Education (LIME) ny fihaonan’ny roa tonta. Haha­ritra […]

Rotsak’orana : mitoetra ny fampitandremana ho an’Analamanga

Mbola arahi-maso ilay andian-drahona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, hoy ny fanazavan’ny teknisinina eny Ampandrianomby, omaly. Mitoetra ihany koa hatramin’ny anio ny fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsak’orana ho an’ny faritra Sofia, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro sy Anala­man­ga. Hanelingelina ny asa andavanandron’ny rehetra izany satria mety hihena ny fahitana ho an’ny mpampiasa lalana, […]

CUA – Fokontany : miofana ireo mpikarakara ny kopia faobe

Nanomboka omaly ary mifarana anio ny fampiofanana ireo « agent communautaire » sy « chef secteur » miisa 520 eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Ampiofanina izy ireo mba tsy hanano sarotra ny fanentanana sy ny fanisana ary ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo olona te hisitraka ny kopia faobe […]