Manomana famelabelaran-kevitra ho an’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 12 jolay ho avy izao, ny fandaharanasa “Jica chair” eto Antananarivo. Hiompana amin’ ny lohahevitra roa: ny tontolon’ny fampahalalam-baovao any Japon sy ny vina amin’ny hoavy ny voalohany. 60 taona niarahana niasa tamin’i Afrika i Japon ka hizara ny zava-misy manodidina […]
Fiaraha-monina
Fiarovana ny ankizy: nivory ireo komitim-pirenena
Nikaondoha ireo komitim-pirenena ho an’ny fiarovana ny zon’ny ankizy tamin’ity herinandro ity. Nanokatra izany ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana sady minisitry ny Mponina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Hiandraikitra manokana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo paikady napetraka mahakasika ny fandaharanasa ho fiarovana ny zon’ny ankizy […]
Fampiasana ny teknolojia: mirongatra sy miha tanora ny areti-maso eto Madagasikara
Mirongatra ny areti-maso, toy ny Glocome, manerana ny Nosy. Sady mahajamba no tsy ahitam-panafana izy io. Miha tanora hatrany ny marary noho ny fampiasana ny teknolojia be loatra. Efa marary maso sy manao solomaso sahady ny zaza iray manomboka eo amin’ny fahafito taonany, fara fahakeliny. Antony mampirongatra izany ny fampiasana […]
Vangaindrano: zazavavikely varira notapahin-doha
Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toetena varira eto Madagasikara fa mbola mitohy ny sompatra ataon’ireo mpamono olona amin’izy ireo. Tany vangaindrano, tamin’ity herinandro ity, zazavavikely varira vao 10 taona no novonoin’ny jiolahy tany Bevato Tsahalana, distrika Vangaindrano. Notapahina ny tendany ary nentin’ireo mpamono olona any ny lohany. Tetsy andaniny, naratra […]
Distrika Ambohidratrimo: niara-nientana nankalaza ny fetim-pirenena
Tontosa antsakany sy andavany ny fankalazana ny fetin’ny asaramanitra 2024, teto amin’ny Nosy. Anisan’ny nahavita izany ny tetsy amin’ny disitrika Ambohidratrimo. Niara-nientana sy niara-paly ny rehetra nandritra ny hetsika maro teny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny tanjona napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. “Malagasy miara-mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”, io ny […]





