Haharitra hefarana ny fanadinam-panjakana BEPC, izay hosantarina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Manome torohevitra amin’ny fomba fiatrehana amim-pilaminana ny fanadinana ny mpampianatra satria efa vita tanteraka ny famerenana ho an’ny taranja rehetra. Hanomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao ny fiatrehana ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Manamasaka ny toromarika madinidinika […]
Fiaraha-monina
Vaky trano: kandidà depiote lasibatra
Lasibatry ny vaky trano ny kandidà solombavambahoaka iray monina ao amin’ny fokontany Andamasiny, kaominina ambanivohitra Mitsinjo, Toliara, afakomaly alina. Novakian’ireo olon-dratsy ny fitaratra. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nandroba ny entana sarobidy, tamin’ny 9 ora alina. Voaroba ny solosaina miisa roa sy finday telo. Nanamafy koa ny tompon-trano […]
Trafikan-tsokatra: olona efatra voasambotra
Naiditra vonjimaika am-ponja ireo olona telo voasambotra teto Antananarivo momba ny trafikan-tsokatra, afakomaly. Nahatraran’ny mpitandro filaminana zana-tsokatra miisa 37 teny amin’ireo olona ireo. Kazaran-tsokatra ahina ho lany tamingana « radiata » ny 36 tamin’ireo biby ireo. Anisan’ny maro mpitady eo amin’ny tsena maizina iraisam-pirenena rahateo io sokatra io. Karazany “pyxis” kosa ny […]
CSB Ampataka: afaka misitraka vaksiny isan’andro ny mponina
Anisan’ny CSB nisitraka tombontsoa tamin’ny tetikasa Miarova ny ao Ampataka, izay tarihin’ny lehibeny, Andrianantenaina Princi. Vata fampangatsiahana vaventy mandeha amin’ny herin’ny masoandro no azon’izy ireo tamin’izany. Afaka manao vaksiny isan’andro ny CSB amin’izao fotoana, satria efa arifomba ny vata fampangatsiahana fitehirizana ireo vaksiny ary mandeha andro aman’alina mihitsy izany. Efa […]
Mpino silamo Chiite Nankalaza ny Aïd al-Ghadir
Nankalaza ny Aïd al-Ghadir ny mpino silamo Chiite eto Antananarivo, ny talata lasa teo. Niara-niombom-bavaka sy nisaotra an’Andriamanitra tetsy Andohatapenaka izy ireo nandritra izany. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-mifety teo amin’ireo mpino ny fotoana. “Fety lehibe ho an’ny mpino silamo izy io satria andro fanehoana sy fampahafantarana ny lehibe mpitarika, […]





