Nanafika ben’ny Tanàna, maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Vohimary, kaominina Ambohitsara, distrikan’i Manakara ny talata 9 janoary teo. Ny alin’ny alatsinainy, niditra an-keriny tao amin’ny tranon’io ben’ny Tanàna ao an-toerana io ireo dahalo. Lasan’izy ireo tamin’ izany ny entana rehetra. Nampandre avy hatrany ny […]
Fiaraha-monina
Lafayette College Pennsylvania: nizara fahaiza-manao tamin’ny mpianatra malagasy
Nihaona tetsy amin’ny masoivoho amerikanina Andranomena, tamin’ity herinandro ity, ireo mpianatra avy amin’ny Lycée Andohalo ankilany sy ny mpampianatra sy mpianatra amerikanina avy amin’ny Lafayette College Pennsylvania andaniny. Nifanakalo traikefa tamina sehatra marolafy izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Lafayette Initiative for Malagasy Education (LIME) ny fihaonan’ny roa tonta. Haharitra […]
Rotsak’orana : mitoetra ny fampitandremana ho an’Analamanga
Mbola arahi-maso ilay andian-drahona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, hoy ny fanazavan’ny teknisinina eny Ampandrianomby, omaly. Mitoetra ihany koa hatramin’ny anio ny fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsak’orana ho an’ny faritra Sofia, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro sy Analamanga. Hanelingelina ny asa andavanandron’ny rehetra izany satria mety hihena ny fahitana ho an’ny mpampiasa lalana, […]
CUA – Fokontany : miofana ireo mpikarakara ny kopia faobe
Nanomboka omaly ary mifarana anio ny fampiofanana ireo « agent communautaire » sy « chef secteur » miisa 520 eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Ampiofanina izy ireo mba tsy hanano sarotra ny fanentanana sy ny fanisana ary ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo olona te hisitraka ny kopia faobe […]
Nahomby ny ezaka : nidina ny taham-pahafatesana
Araka ny tatitry ny Firenena mikambana, ny taona 2021, misy zaza na tanora iray maty isaky ny 5 segondra maneran-tany. Eto Madagasikara, nisy fivoarana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zazamenavava ary ny kilonga madinika tao anatin’ny 10 taona farany, araka io tatitra io ihany. 14% ny tahan’ny fahatsarana teo anelanelan’ny […]