Fiaraha-monina

“Ny asako rahampitso” andiany faha-16: hitari-dalana mpianatra 5 833 hisafidy ny asa sahaza

Manokatra ny sain’ny mpianatra amin’ny fisafidianana ny sokajy rehefa hiakatra kilasy de 1ère “Ny asako rahampitso”. Hetsika entin’ireo mpisehatra amin’ny asa eto amintsika manomboka amin’ny alatsinainy, eny amin’ny lycée eto Antananarivo. Hiditra amin’ny andiany faha-16 ny hetsika “Ny asako ra­hampitso” iarahan’ny Rotary club Ainga sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mikarakara. “Fizarana […]

INDRAY MIJERY

Ny 80% ny tanora miisa 230 nanaraka fiofanana maimaimpoana momba ny Freelancing Web, ao anatin’ny fampiofanana faobe amin’ny “Métiers du web” tao Antsirabe, no hanangana avy hatrany ny orinasany. Fantatra io nandritra ny lanona famaranana ny hetsika, ny faran’ny herinandro lasa teo. Misy toerana 20 misandrahaka manerana ny Nosy ahazoana […]

Hitohy ao anatin’ny telo taona ny fiaraha-miasa

Nanao sonia fiaraha-miasa ho an’ny telo taona manaraka teny amin’ny foiben-toeran’ny BNGRC, Andrainarivo, omaly, ny masoivoho frantsay sy ny minisiteran’ny Atitany. Ho fiarovana ny vahoaka amin’ny loza voajanahary samihafa (tondradrano, afo…) no votoatin’ny fiaraha-miasa. Nanome fitaovana informatika hanatsarana ny asan’ny Cervo eo anivon’ny BNGRC ny fanjakana frantsay, hanafainganana ny fahazoana […]

Teleferika : tafapetraka ny tariby, an’Anosy sy i Soarano

Tontosa ny fametrahana ny tariby amin’ny fitaterana teleferika mampitohy an’Anosy sy i Soarano. Tonga nitsidika ny asa tetsy amin’ny Gara Anosy ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, omaly. Enina herinandro ny fe-potoana nametrahana ny tariby mitondra ireo fitaovam-pitaterana ireo. “Vita tao anatin’ny roa herinandro izany noho ny […]

Fahavoazam-pirenena noho ny rivodoza: « Vonona hanohana ny Frantsay », hoy ny masoivohony

Feno ny fepetra hanambarana ny fahavoazam-pirenena taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny alarobia lasa teo. Namela takaitra maro ho an’ny faritra avaratra atsinanana 89 645 ny isan’ny traboina ary maro ny fotodrafitrasa simba, toy ny lalana, ny tetezana, ny biraom-panjakana sy ny […]