Fiaraha-monina

« Taombaovao malagasy »: Nomarihin’ny mpianatra teny amin’ny Lycée Analamahitsy

Nomarihina teny amin’ny Lycée Analamahitsy, omaly, ny fanehoana ny taombaovao malagasy niarahana tamin’ireo mpianatra sy ny mpanabe ary ny vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco izay manohana ny hetsika isan-taona. Beazina ny tanora sy ny mpianatra miainga avy any am-pianarana. Rehefa tafita ny fanabeazana, ho lasa ray aman-dreny izy ireo any […]

Fahasalamana: Dinihina ny fomba hisorohana ny aretina tsy mifindra

Tanterahina any Paris ny dinika mahakasika ny fahasalamana sy sakafo voalanjalanja ho fisorohana ireo karazan’aretina tsy mifindra. Fihao­nambe siantifika nokaraka­rain’ny Agence française de déve­loppement (AFD) no hanatanterahana izany. Man­dray anjara amin’ny dinika ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely. Nasehon’ireo mpikaroka tamin’ny voka-pikarohana fa mamaritra betsaka ny fahasalamana ny karazan-tsakafo hohanina […]

Tsy fanjarian-tsakafo : Manohana ny Unicef ny Fondation Axian

Natao omaly, teny Andraharo, ny fanaovan-tsonia ny fanohanan’ny fondation Axian ny asan’ny Unicef, handraisana an-tanana ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo. Nanolotra vola mitentina 100 000 dolara ny fondation. Ahafahana mikarakara zaza 5 000 (enim-bolana hatramin’ny 59 volana) voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika lalina izany. Tafiditra anatin’ny hetsika “Child Nutrition Fund […]

Fondation Viséo sy Fondation HV : Nifarimbona nanavao ny EPP Ankorondrano

Anjara biriky entin’ny fondation roa : Viséo sy HV ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny fanohanana ny fanabeazana fototra. Efitranon-tsekoly maherin’ny 100 no nohavaozina tanteraka. Mbola hitohy amin’ny EPP hafa ny fanatsarana miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Vita ny fanavaozana ny EPP Ankorondrano, izay nifarimbonan’ny Fondation Viséo, Fondation Hematlal Veljee (HV) sy […]