Nisokatra tamin’ity volana ity ny trano vaovao fandraisana razana Home maison funéraire eny Tsimbazaza.” Natsangana izany noho ny fahatsapana fa tolotra manomboka ilain’ny mponina izy ity amin’izao fotoana”, hoy ny mpitantana, Ranaivoarisoa Niritiana, omaly. Mandray razana no tena antom-pisiany fa ireo tolotra rehetra manodidina an’izay ao anatin’ny fiatrehana fahoriana koa […]
Fiaraha-monina
GproDMM : Tokony hampitomboina ny fanafody azo varotana
Tanterahina omaly, mitohy anio, ny zaikabe fahefatry ny Vondron’ny mpivarotra fanafody ara-dalàna na Dépôt de médicament (GproDMM) izay tarihin’ny filohany, Razafimanantsoa Nandrianina. Tsy azo ihodivirana amin’ny rafitra famatsiana fanafody ny Dépôt de médicament. Natao hamaha ny olana amin’ny tsy fisian’ny fanafody ilain’ny vahoaka andavanandro, indrindra any ambanivohitra ny fisiany. Any […]
Notsirihina ny fantsona 200 km : Very rano 4 000 m3, isan’andro, Antananarivo
Natolotra omaly, teny Ivandry, ny vokatry ny asa fanadihadiana notanterahin’ ny cabinet Ax’eau, momba ny fitsirihana ifotony ireo fahaverezan-drano misy amin’ny fotodrafitrasan’ny Jirama, indrindra ny fantsona. 200 km amin’ny fantsona eto Antananarivo no notsirihina ka nahitana fahaverezana rano mitentina 4 000 m3, isan’andro. Ampahany notanterahina no nanome io vokatra io, […]
Fahaleovantenan’i Etazonia : Nahaliana tanora maro ny « Freedom 250 »
Nanao fizarana momba ny tantaran’i Etazonia sy ny maodelin’ny demokrasia amerikanina tetsy amin’ny ENS Ampefiloha ny mpanolotsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikanina, i Alex Burns. Fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENS amin’ny fanamafisana ny fampianarana ny teny anglisy sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina izao hetsika izao. […]
ESPA : Afaka miasa amin’ny sehatra maro ny injeniera
Iray amin’ny sampana 16 eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona, ny Ingenierie minière, izay mamoaka injeniera mahafehy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 1976. Miavaka ny injeniera nahavita fianarana teny amin’ny sekoly ambony politeknika satria afaka misehatra amin’ny lafin’asa maro aorian’ny fahazoana diplaoma. Tafiditra ao ny fitrandrahana harena an-kibon’ny […]




