Fiaraha-monina

Nahazo mari-pahaizana : miaramila 109 nahavita fiofanana

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fanolorana mari-pahaizana “Brevet militaire professionnel élémentaire” BMPE infanterie taona 2022 ireo miaramila an-daharana, om­a­ly, teny amin’ny cercle messe Fiadanana. Lanonana teo ambany fitarihan’ny Sous chef d’Etat major chargé de la chaîne opérationnelle eo anivon’ny Etama­za­o­ron’ireo Tafika, ny Jly Andriamasimanana William Michel. Taorian’ny fiofanana sivy […]

Maevatanana: lavon’ny zandary i Dadaky, dahalo raindahiny

Maty voatifitra omaly ilay malaso ikoizan’ny maro ao Maevatanana. Malaza ratsy amin’ny halatr’omby ny lehilahy ka saika handositra raha izy nanondro ny toerana misy ireo namany mpiara-dia aminy. Tapitra hatreo ny halatr’omby fanaon’i Da­da­ky, ilay dahalo mampitondra faisana ny mpi­ara-belona aminy ao amin’ny kaominina Maha­tsinjo, distrika Maevatanana. Maty voatifitry ny […]

Faran’ny taona: mila mailo amin’ny sakafo

Nanamafy ny fiarovan-tena tokony hataon’ny rehetra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ity herinandro ity, amin’izao ankatoky ny fety izao. “Maro rahateo ireo aretina sy loza mpiseho rehefa vanim-potoanan’ny fety tahaka izao ka samy tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany avy ny tsirairay”, hoy izy. Anjaran’ny mpiasan’ny fahasalamana kosa ny manao izay azo atao rehetra […]

Fanazavan’ny Croua : fanoherana ny fanorenana tsy ara-dalàna no natao

Nitondra fanazavana ny tale lefitry ny CrouA, Ra­vonjison Tamby, omaly, teny Tsimbazaza, mikasika ny fanenjehana ny tale amin’ny fiarovana ny faritry ny oniversite. Notoriana ny mpitantana ny CrouA fa nolazaina fa nanao fanimbana fananan’olona. Nanamarika anefa izy ireo fa fanakanana ny fananganana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna mba tsy hiorina ao anatin’ny […]

Fiatrehana ny loza : miara-miasa ny CUA sy ny BNGRC

Nanatanteraka fanazaran-tena niaraka ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny BNGRC, omaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely sy teny amin’ireo fo­kontany valo anivon’ny Bori­borintany voalohany sy faha-4. Fampiharana ny fanazaran-tena amin’ny fiatrehana ny loza ho an’ireo mpisehatra rehetra isan-tsokajiny na SIMEX « SIMulation EXerci­ce » no natao tamin’izany, hoy Andrianatoandro Sitraka […]