Manatanteraka fivoriana iraisam-pirenena eto Antananarivo ireo mpiantsehatra amin’ny fanabeazana sy fikarohana. Mba hanatsarana ny rafi-panabeazana eto amin’ny Nosy ny anton’ny dinika. Tanterahina etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly sy anio, ny loabary an-dasy iraisam-pirenena momba ny fanabeazana. Mandray anjara manatanteraka izany ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny fanabeazana eto an-toerana sy any […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Métamorphose, io no anaran’ny tetikasa vaovao izay miompana amin’ny fampiroboroboana ny famoronana maharitra sy manaja tontolo iainana eo amin’ny tontolon’ny lamaody. Tetikasa izay hotantanin’ireo maintimolaly fito mianadahy nandray anjara tamin’ny “International Visitor Leadership Program (IVLP) 2020”. Fanentanana ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo olon-tsotra hanome ra maimaimpoana no hanamarihin’ny Hopitalin’i Fianarantsoa ny […]
Fitsarana Anosy: mpahay kaonty 12 mianadahy nanao fianianana
Notanterahina teny amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy, efitrano fahefatra, ny fotoam-pitsarana nandraisan’ny fitsarana ny fianianan’ireo mpahay kaonty sy ara-bola (experts-comptables et financiers) 12 mianadahy. Andro lehibe ho an’ny Holafitry ny mpahay kaonty sy ara-bola ihany koa ity fotoana ity, nahafahan’ny filohan’ny holafitra nampahalala ny tsara ho fantatra rehetra tamin’ireto 12 […]
Fifamoivoizana : miverina miasa ireo polisin’ny fitaterana
Tanjon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny hampihena ho 50% ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona amin’ny taona 2030. Mametraka paikady izy ireo hanatrarana izany. Haverina amin’ny asany, araka izany, ireo polisin’ny fitaterana an-dalambe izay eo ambany fiahian’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (Agence des transports terrestres – ATT). 28 […]
USAID sy OMS: hasongadina ny fahasalaman’ ny saina eto Madagasikara
Niara-niasa tamin’ny fanatanterahana ny atrikasa momba ny fahasalaman’ny saina ny USAID sy ny OMS. Dingana voalohany amin’ireo hetsika maromaro nomanina ho an’ny roa taona ho avy no natao. Nampivondrona mpandray anjara maherin’ny 160, ahitana mpisehatra, mpikaroka, mpanome tolotra ara-pahasalamana ary mpamatsy vola ny atrikasa natao teto Madagasikara momba ny fahasalaman’ny […]





