Fiaraha-monina

Bemiray: fampahafantarana ny fihetsika ara-pahasalamana 21

21 ny fihetsika ara-pahasalamana tsotra azo isorohana ny aretina amin’ny andavanandro. Efa novolavolaina ny taona 2019 ny paikady nasionaly amin’ny fanovana ny fitondran-tena hifanaraka amin’ny fahasalamana niarahan’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka. Nampa­ha­fantarina ny vahoaka teny amin’ny tokotanin’ny Gara Soarano ireo fihetsika fototra ara-pahasalamana 21 tokony hananan’ny rehetra, nandritra […]

Vokatry ny fahalotoan’ny rivotra : Malagasy iray ao anatin’ny telo no maty aloha loatra

Maloto ny rivotra iainana eto Madagasikara. Miteraka voka-dratsy ara-pahasalamana izany ary mamono olona mihitsy. Misy ny fiaraha-miasan’ny Amerikanina sy ny manam-pahaizana malagasy amin’ny fitadiavana vahaolana. Nisy ny fanaraha-maso nitety vohitra ny kalitaon’ny rivotra iainana nataona ekipana manam-pahaizana manokana amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny zon’olombelona no­tanterahina ny […]

Halatra bajaj tao Toamasina : voaheloka asa an-terivozona 5 taona i Siza José

Niakatra fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny alarobia 7 desambra 2022 teo, ny antontan-tarata­sin’ady laharana faha 115-Toa/22-3062-RP/21 nahavoarohirohy an’i Siza José sy ny namany. Tsy niatrika ny fo­toam-pitsarana i Siza José raha nahazo fahafahana vonjimaika ireo namany roa lahy. Raha hiverenana ity raharaha ity, voampanga ho nandratra raim-pianakaviana […]

Ankatoky ny fety : etsy Mahamasina ny Noelin’Iarivo

Hanomboka anio ary tsy hifarana raha tsy amin’ny voalohan’ny volana janoary izao ny Noelin’Iarivo izay hotanterahina etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ampitan’ ny St Michel. Hisy ny tsenan’ny asa tanana malagasy sy ny tranoheva ho an’ny karazana sakafo masaka. Omen-danja indrindra koa ny ankizy amin’ireo karazan-kilalao sy fialamboly satria efa […]

Fanavaozana ny rafi-panabeazana : lany teny anivon’ ny Antenimierandoholona ilay volavolan-dalàna

Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Ante­ni­mi­e­ran­doholona Anosy, nandritra ny fivoriana ny talata lasa teo ny volavolan-dalàna laharana fa­ha-009/2022, tamin’ny 15 jona 2022 mahakasika ny La­là­na mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Ma­da­gasikara, Isan’ny teboka misongadina ao amin’ity volavolan-da­là­na ity ny fametrahana politikan’ny teny hoenti-mampianatra. Eo koa ny fanovana sy fanavaozana […]