Hotanterahina ny 28 sy 29 febroary ary hitohy ny 1 marsa ny fanamarihana ny Andron’ ny sekoly manerana ny Nosy. “Sekoly ivon’ny fiarahamonina, mpianatra vonona sy vanona ho amin’ny fandrosoana lovainjafy”. Io no lohahevitra voizina mandritra ny 3 andron’ny hetsika. Fotoana hanentanana ny mpianatra hamboly hazo sy hanazavana amin’izy ireo […]
Fiaraha-monina
Boriborintany fahatelo : mitohy ny asa fanadiovana
Mitohy ny asa fanadiovana hiarahan’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina. Fokontany telo, ao amin’ny boriborintany fahatelo, no nanaovana ny asa sandaina sakafo, ka olona 205 no manao ny asa. Fokontany Ankazomanga Andraharo, eo amin’ny Canal C3 hatreny Andraharo, fanalana fako sy tsinkafona no atao ka olona 100 no miasa haharitra […]
Tetikasa Tafita : mampivoatra ny fifehezana ny vakiteny sy ny kajy
Mitohy ny tetikasa « Tafita » izay iarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny fandaharanasa japoney, JICA. Handrakotra ny faritra 23 izany manomboka amin’ity taona ity. Hitohy amin’ny dingana fahatelo ny tetikasa «Tafita», nampiharina teny amin’ny sekoly fanabeazana fototra na ny EPP. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy hanomezana lanja ny fitantanana eny ifotony miaraka […]
Fiofanana: miara-miasa ny OJM sy ny Instat
Anisan’ny zava-dehibe ny fikirakirana ny fampiasana ny antontanisa. Ilaina amin’ny fanatsarana ny fandraisana fanapahan-kevitra izany. Eo koa ny mety hahafahana mandresy lahatra amin’ny karazana hetsika na fanaovana fangatahana fanampiana. Manampy izany, afaka hanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy hamantarana ny vokatra hoentina miasa. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Instat, Ndremitsara Tarzan: “mila […]
Nifin’Akanga-Fanolanana : tsy ampy ny lalàna famaizana
Nanao hetsika ho fampahafantarana ny fanolanana amin’ny ankapobeny sy ataon’ny olom-pady, teny Anosy, ny fikambanana Nifin’Akanga, ny faran’ny herinandro teo, niaraka tamin’ny mpitantana ny akany Avoko eny Ambohidratrimo sy Bevalala. Tanjona ny hiresahana ireo ampahibemaso ho an’ny daholobe satria zava-misy eny amin’ny fiarahamonina. Fotoana nanangonana tohana vola avy amin’ny rehetra […]




