Fiaraha-monina

Moramanga : tratra ilay lehilahy mpamboly rongony

Voasambotry ny polisy ny lehilahy iray mpamboly sady mpivarotra rongony tao Ambohitranjavidy, kaominina Moramanga, afakomaly. Naharay antso tamin’ny tomponandraikitry ny fokontany ny mpitandro filaminana momba ny fisian’ny lehilahy iray manao io fambolena rongony io eo an-tokotaniny. Nanamarina ny zava-nisy ny polisy. Tratra tao an-tranony tokoa ilay lehilahy voalaza. Notapahina avokoa […]

Distrikan’Antanifotsy : miandrandra olona hitondra fampandrosoana

Nanao fanambarana omaly, ireo ben’ny Tanàna 12, ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Milaza izy ireo fa miandrandra olom-baovao hitondra fampandrosoana any an-toerana. Manoloana izany, hanolotra an-dRakotondrazafy Justin na i Zilikely Fanavotana ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka izy ireo. Man­gataka ny fankatoavan’ny fanjakana foibe ireo ben’ny Ta­nàna mba ho isan’ny kandidam-panjakana ny olona […]

Faritra Analamanga : nanolotra fitaovana ny Pnud

Natao omaly, tetsy Ambohidahy, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny faritra Analamanga sy ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny Pnud. Fanolorana fitaovana hiatrehana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza no nifantohan’izany. Nisy ny fanolorana motopompes, moto, borety, trano lay… Nilaza ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, fa tonga ara-potoana ny […]

Fanabeazana ara-pananahana: tsy manaiky ny naoty navoakan’ny minisitera ny depiote

Mitsipaka ny naoty, mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny solombavambahoaka. Voalaza fa mila fankatoavana ny fampianarana ho zaraina any an-dakilasy. Namoaka « note circu­laire » ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana novambra 2023. Ma­nambara izany fa tsy maintsy alefa any amin’ny sampandraharaha misahana ny toeram-pampianarana ny hetsika fanentanana na fampahala­lana rehetra […]

Anjanahary : telo lahy nanolan-jaza nalefa eny Tsiafahy

Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy, afakomaly, ireo telo lahy nanolan-jaza teny An­janahary. Mpianatra avokoa izy telo mirahalahy ireo. Ankizivavy 16 taona io lasibatry ny filan-dratsin’izy ireo io. Nifankafantatra tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny mpanolana sy ny voaolana. Raikitra ny fihaonana voalo­hany, teny Andravoahangy. Nentin’ilay tovolahy nihazo ny tranony teny Anjanahary ilay ankizivavy […]