Fiaraha-monina

CUA sy Airtel: olona 1000 nozahana fahasalamana maimaim-poana

Olona manodidina ny 1000 nahazo fizaham-pahasalamana maimaim-poana noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel sy ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA). Manamafy ny andraikiny eo amin’ny fiarahamonina ny Airtel amin’izany hetsika izany momba ny fahasalamana. Ho an’ny CUA, niarahana nitety boriborintany 6 ho an’ny asa ara-pahasalamana manatona vahoaka. Napetraka tao amin’ny boriborintany […]

Tetikasa AINTSOA: hahena ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka

Misy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny CUA, ny ONG Gret ary ny Nutri’zaza amin’ny alalan’ny tetikasa Aintsoa. Hampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo an-drenivohitra no tanjona. Notontosaina omaly 16 novambra 2022, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny fifanaovan-tsonia amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny   kaominina Antananarivo Renivohitra, ny ONG Gret ary ny Orinasa Nutri’zaza momba […]

Mahamasina: mpianatra iray tratra namaky trano

Iza indray no homen-tsiny ? Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) eny Mahamasina, ny alatsinainy teo teny Angarangarana ny tovolahy iray mbola mpianatra. Trano iray eny Madera Namontana no nidirany an-tsokosoko. Nifampitadiavana izy ireo taorian’izay satria tadidin’ny tompon-trano ny endriny nandritra ny halatra natao tamin’io fotoana […]

Institut Conficius: miaramila telo lahy nahazo mari-pankasitrahana

Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara, i Guo Xiaomei ireo miaramila telo lahy mpianatra teny sinoa, omaly, teny amin’ny Institut conficius eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Nohamafisin’ny masoivohon’i Sina fa manamarika ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny masoivoho sinoa izao. Tsy […]

RN44: fiara 182 narahi-maso

Hisorohana ny loza mateti-pitranga anatin’ny lalam-pirenena faha-44, nanao hetsika nentina nampianarana ireo mpitondra fiara ny mpitandro filaminana  avy ao amin’ny fari-piadidian’ny polisim-pirenena Alaotra Mangoro, afakomaly. Fiara 182 nandalo tamin’iny lalam-pirenena iny araka izany no nanaovan’izy ireo fisavana sy narahi-maso. Nanome torimarika manokana ireo mpampiasa lalana ireo ny polisy. Voakasik’ity hetsika […]