Mitentina 750 000 dolara ny famatsian’ny USAID ny tetikasa “Tsinjo Soa” amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasam-pidiovana miisa 2 100. Haharitra 3 taona ny fanatanterahana izany, iaraha-miasa amin’ny Loowatt Madagascar. Tanjona ny hisian’ny vahaolana momba ny fidiovana ho an’ireo tokantrano sahirana eto Antananarivo. Maro rahateo ireo ankohonana tsy manana toeram-pidiovana akory noho […]
Fiaraha-monina
Fanomanana CEPE-BEPC: Mila tolo-tanana amin’ny ray aman- dreny ny lehiben’ny foibem-panadinana
Tsy afa-miandry ny fandefasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sorabola hikarakarana fanadinana ny tomponandraikitra fa mijery vahaolana miaraka amin’ny ray aman-dreny hampihodinana ny fanomanana. Mbola nanamafy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena araka ny note de service 2024/035/MEN fa tsy andoavam-bola ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC amin’ity taona ity. Tsy izany anefa ny […]
Fampianarana niomerika : nitondra fivoarana ho an’ny mpianatra
Sekoly 15 manerana ny Dren Boeny, Atsimo Andrefana ary Anosy no notoloran’ ny orinasa Airtel fitaovam-pifandraisana na “Box” ahafahan’ireo mpianatra sy ireo mpampianatra miditra ao amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandranto ireo loharanom-panabeazana isan-tsokajiny amin’ny endriny samihafa. Natao ny volana febroary 2023 ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa teo amin’ity minisitera ity sy […]
Boriborintany IV : nofanina momba ny niomerika ny vehivavy
Natomboka omaly ny fampiofanana ireo fikambanam-behivavy etsy amin’ny boriborintany fahefatra mahakasika ny fikirakirana ny teknolojia moderina. Haharitra 3 volana ny fampiofanana ao amin’ny “Maison digitale pour les femmes”, hifehezana ny fitaovana niomerika sy ny fivelarana maha olona. Tanjona ny hifehezan’ireo mpisitraka ny fikirakirana ny fitaovana manaraka ny teknolojia toy ny […]
Ranotrambo niseho tany Benenitra : olona iray maty, dimy tsy hita popoka
Taorian’ny fidinan’ny tomponandraikitra nijery ny vokatry ny ranotrambo niseho tany Benenitra, nivoaka ny tatitra ofisialy avy amin’ny BNGRC. Iray ny olona maty vokatry ny fisian’ny ranotrambo tany amin’ny distrikan’i Benenitra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Dimy ny olona tsy hita popoka ary dimy hafa avotra soa aman-tsara, araka ny tatitra avy […]




