Homarihina ny 11sy 12 febroary izao any Ampefy ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina notsinotsinoavina. Tafiditra ao anatin’ireo sokajin’aretina tsy dia mampiraika loatra ny aretina ateraky ny kankana toy ny bilarziozy, ny sakoitra, ny ongobe… Manodidina ny 20 ireo karazan’aretina tsinontsiniavina kanefa mety hiteraka fahasamponana na kilema, eny mety hitarika […]
Fiaraha-monina
Mahamasina : miandrandra ny tsena vaovao ny mpivarotra
Nihaona tetsy amin’ny tsena vaovao Anosy, omaly, ny fikambanan’ny mpivarotra Mandresy, etsy Mahamasina sy Andrefan’Ambohijanahary niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fitokanana ny tsena izay tsy maintsy hatao, aorian’ny fandaminana ifanarahan’ny mpivarotra, araka ny tenin’ ny ben’ny Tanàna. Hisitraka ny tsena vaovao avokoa ny mpivarotra. […]
Fanararaotana ara-nofo: tsy ampy ny sazy ho an’ny voaheloka
Maivana ny sazy ho an’ny olona voaheloka noho ny fanararaotana ara-nofo eto amintsika, hoy ny governemanta amerikanina . Mila havaozina ihany koa ny antontan’isa. Tsy hita soritra loatra ny ezaky ny Malagasy amin’ny fampiharana ny lalàna mandrara ny fanondranana olona an-tsokosoko sy ny fanararaotana amin’ny endriny maro. Manameloka ny fanararaotana […]
Covid 19 : 15 ireo voatily ho nitondra ny tsimok’aretina
Toy izao indray ny tatitra mikasika ny tsimok’aretina Covi-19 tao anatin’ny herinandro, 28 janoary hatramin’ny 03 febroary lasa teo. Nahatratra 15 ireo voatily ho nitondra ny tsimok’aretina eto amin’ny Nosy. Mitsinjara ao amin’ny faritra telo samihafa. Ahitana tranga vaovao miisa 10 ato amin’ny faritr’Analamanga. Telo ao amin’ny faritra Atsinanana. Roa […]
Rafanomezantsoa Jean Nirina: “Matoa mpandresy dia misy ady natrehana…”
“Miarahaba ny ekipam-pirenena Barea-n’i Madagasikara aho nahavita dingana goavana. Misy antony maro nahatonga izao fahombiazana izao fa amin’ny fanatanjahantena dia ilaina ny firaisankina sy ny fiombonam-po”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina niarahaba ny Barea-n’i Madagasikara manoloana ny zava-bitan’izy ireo ka nahazoana ny laharana fahatelo aty Afrika. Nambarany fa […]