Fiaraha-monina

Fianarantsoa: Nankatoavina ny fanamboarana ny Coliseum

Mitohy ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana nampanaovin’ny filoham-pirenena ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Hatsangana ao Fianaran­tsoa ny Coliseum faharoa lehibe eto Madagasikara. Ao anatin’ny pole urbain tanàna vaovao ao Ambatomena no hananganana izany. Haha­zaka mpijery 25 000 ny fotodrafitrasa ary hatramin’ny 30 000 miampy ny gradin […]

Oniversiten’ i Toamasina: Mpianatra 608 nahazo mari-pahaizana

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 21 marsa lasa teo ireo mpianatra 608 tao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy Toamasina. Nanaraka lalam-piofanana samihafa avy amin’ny toeram-pianarana telo izy ireo. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny governoran’ny faritra Atsinanana mpisolo toerana, Rakotovao Andry. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Oniversite, Dr Razanakolona Diny. Nahazo […]

Sekoly 30 havaozina sy haorina amin’ity taona ity: Ankizy 45 600 nahazo tombontsoa noho ny fandaharanasa “Sekoly Yas”

Sady manavao sy manangana efitranon-tsekoly vaovao ny fandaharanasa “Sekoly Yas” no manofana ny mpanabe ihany koa. Mba hahazoana fanabeazana manana kalitao ny antony. 10 taona nanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara ny Fondation Axian sy ny orinasa Yas. Nitondra tombontsoa ho an’ny mpianatra 45 600 manerana ny faritra 23 ny fanavaozana […]

Klioban’ny Voix de la Sagesse : Miantso ny hijerena ny taranja savate

Nanatanteraka fifaninanana “Gala Andrefan’Iarivo”, taranja savate, ny klioban’ny Voix de la Sagesse, ny faran’ny herinandro teo, teny Am­bohijanahary. Namba­ran’ny filohan’ny klioba, Razafima­hatratra Joany Fanambinan­tsoa, fa taranja hain’ny Ma­lagasy ny savate saingy nangina tanteraka tato ho ato. Manao antso izy ny hijerena akaiky ny taranja ho an’olon-tokana toy ny savate izay […]