Fiaraha-monina

Olan’ny herinaratra ao Toamasina: Raikitra ny fandorana kodiarana

Tao anatin’ny roa andro, ny alahady sy alatsinainy 13 avrily, nidorehitra tamin’ny afona kodiarana ny sampanan-dalana hisian’ny fifamoivoizana betsaka indrindra teto Toamasina. Anton’ny tranga ny tsy fahatrarana ny fe-potoana nomen’ny tomponandraikitra eo amin’ny famerenana ny jiro isam-pokontany. Taorian’ny rivodoza Gezani, indroa nametraka fe-potoana ireo tomponandraikitra. To­eram-piasan’ny orinasa madinika toy ny […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina nandritra ny roa andro ny atrikasa fijerena sy fandinihana ny asa vitan’ireo fiaramonim-pirenena (OSC) tao anatin’ny sivy volana niaraka tamin’ny Manion Daniels sy ireo mpiara-miombon’antoka (JHPIEGO, MCD, APSIAN, ASOS). Tanjona ny hanatsara ny tahan’ny vaksiny eny amin’ireo distrika 45 voasafidy, indrindra ho an’ireo zaza mbola tsy vita vaksiny mihitsy […]

CNFPPSH Ampandrianomby : Hanofana ny tanora isam-pokontany

Notontosaina ny herinandro lasa teo, teny amin’ny ivontoerana CNFPPSH Am­pandrianomby, ny famoahana tamin’ ny fomba ofisialy ireo mpiofana nahavita fiofanana informatique bureautique sy anglais (English Piftic Cou­rses). Indroa isan-taona ny Piftic CNFPPSH no mamoaka mpiofana ka miisa 107 ireo mpiofana notolorana diploma tamin’ ity andiany voalohan’ ny taom-piofanana 2025 – […]

ENS! Mpianatra 292 nahazo taratasy fanendrena

Nahazo ny taratasy fanendrena azy ho mpiasam-panjakana amin’ny sekoly hampianarany avy ireo mpianatra 292 tao Toliara, nahavita fianarana tao amin’ny “École Normale Supérieure” (ENS). Manana ny mari-pahaizana Capen izy ireo. Nohamafisin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny fanabeazana sy ny fanohanana ireo mpampianatra izay andry iankinan’ny fampandrosoana […]

Infirmiera sy mpampivelona : Notokanana ny ivontoerana fanofanana

Nanan-jara ny tanora ao Toliara ny faran’ny herinandro teo. Misokatra ho azy ireo ny toeram-piofanana vaovao momba ny infirmier sy mpampivelona. Tsy voatery hiakatra aty Antananarivo intsony ireo mpianatra maniry ny handranto fianarana momba ny mpampivelona sy infirmiera fa efa misy ao Toliara. No­tokanana ny faran’ny herinandro teo ny ivontoerana […]