Hotontosaina ao amin’ny UCM Ambatoroka ny Forum de la Psychologie izay karakarain’ny Association Arche ny 12 sy 13 jona ho avy izao. Hetsika maro no hatolotra ny mpanotrona izay mifototra amin’ny fahasalaman’ny saina. « De moi à l’autre : comprendre le conflit pour mieux vivre ensemble » ny lohahevitra ifantohana. Mandritra ny […]
Fiaraha-monina
CHRR Ambositra : Nisy fandidiana maimaimpoana
Ho fanamafisana ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fampanatonana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka, notanterahina tao amin’ny CHRR Ambositra ny hetsika fitiliana maimaimpoana ny areti-maso katarakta arahin’ny fandidiana, naharitra telo andro, tao amin’ny CHRR Ambositra. Hetsika mitondra fanantenana sy fahasitranana mivantana ho an’ireo marary indrindra ireo efa niaina fahasahiranana […]
CHU Analankinina : Ivontoerana fitsaboana olona marary saina
Niakatra 380 isam-bolana taorian’ny rivodoza Gezani ny isan’ireo marary saina. Nahatonga sy nitarika rarin-tsaina an’olona marobe iny trangana rivodoza iny, izay nahasimba ny fotondrafitrasa maro sy trano fonenan’ny olon-tsotra teto Toamasina. Saika vehivavy ny ampahany betsaka amin’ireo marary, raha ny fanazavana manokana nentin’ny dokotera, Ratobimanankasina Lanja, misahana manokana ny fitsaboana […]
Lalambe migodana : Kaominina roa no hisitraka fotodrafitrasa maro
Hetsika sosialy roa no nataon’ny orinasa Samcrete mahakasika kaominina roa, izay voakasiky ny tetikasa fanamboarana ny lalambe : ny kaominina Ambohimanga Rova sy ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy. Ny EPP Ambodifasina no anisan’ny hatao sekoly fitaratra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ho fitaratra amin’ireo sekoly manodidina na miahy tena na miankina […]
Kominina Ambonivohitr’ i Toamasina: Fahadiovana maharitra no tanjona
“Tsy atao ho zavatra mandalo fotsiny izany fanadiovana sy fahadiovana izany, izay fototry ny fahasalamam-bahoaka aharitra ka tsy maintsy mametraka fahadiovana sy fanadiovana tanàna maharitra ho an’ny vahoaka ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, nandritra ny fidinany ifotony efa ho tapa-bolana tsy an-kiato izay. Efa nataony nitarika […]




