Mihatototry ny fasika entin-drivotra ny tany ambolena sy ny trano fonenan’ny olona any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mamely rahateo ny tiomena tato ho ato ka lasibatra ny toerana maro. Manampy ny mponina hamboly taretra sy raketa, eo ambonin’ny torapasika mba hiarovana ny tanàna sy ny tanimboly, araka izany ny CRS […]
Fiaraha-monina
Varira manam-pahaizana: raisina ho mpiasam-panjakana
Nihaona tao Ambohijatovo, omaly, ny minisitry ny Mponina, i Soafilira Princia sy ny fikambanana varira eto Madagasikara. Nolazaina tamin’izany fa anisan’ny mponina ihany koa ny olona varira ka tsy azo ailika ary manan-jo toy ny olon-drehetra. Nihaino ny fitarainana sy ny hetahetan’izy ireo ny minisitra ka fantatra tamin’izany fa misy […]
Masoivohon’i Rosia: nisitraka fanampiana ara-tsakafo ny any atsimo
Nanolotra menaka 80 taonina ho an’ireo mpianatra any Atsimo ny fikambanana rosianina sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny sakafo (Pam), tetsy Ivandry, omaly. Mahatratra 2,1 tapitrisa ireo olona iharan’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy atsimon’ i Madagasikara. Menaka fihinana, milanja 80 taonina no natolotry […]
Ady amin’ny Covid-19 – Magadasikara: nahazo fitaovana hanarahana ireo vita vaksiny
Nanolotra fitaovana informatika, Covax traker, ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID. Natao indrindra hanatsarana ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny tahan’ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny valanaretina covid-19 eto Madagasikara izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ity fitaovana ity, azo jerena haingana amin’ny internet ny fizotran’ny fanaovam-baksiny amin’ny toerana samihafa. Hahafahana manao […]
Fahasalamana: hapetraka eny amin’ny CSB ny fitiliana ny nendran-drajako
Hamehana ara-pahasalamana maneran-tany ny nendran-drajako. Mailo i Madagasikara ka hametraka fitiliana ho an’ireo tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina. Hapetraka eny amin’ny CSBII ihany koa ny fitiliana. Nilaza ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana, Fidiniaina Andriantsarafara , omaly fa efa eo am-panomanana ny fametrahana ireo fitiliana ny tsimokaretona nendran-drajako eny amin’ny tobim-pahasalamana sy […]