Nihaona tamin’ireo herivelona tao an-tanànan’Ambohimanambola ny fikambanana Mitia Soa tamin’ity herinandro ity. Nivoitra tamin’izany ireo tena maharary ny mponina: ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fahampian’ny rano madio fisotro. Nilaza ny filoha mpanorina ny fikambanana, Nofinirina Tinasoa Andrianasolo, fa tafiditra ao anatin’ny vinan’izy ireo ny hanarina ny tanàna, indrindra hitondra […]
Fiaraha-monina
Holafitry ny infirmiera : niala tanatin’ny holafitr’ireo matihanin’ny fahasalamam-bahoaka
Betsaka ny olona manao ny asan’ny infirmiera manerana ny Nosy noho ny tandrevaky ny tomponandraikitra. Vokany, hiala tsy ho mpikambana ao anatin’ny fiombonan’ny holafitry ny sehatrasa fahasalamana ny infirmiera. Notanterahina teto Antananarivo ny fivoriana voalohany niarahan’ny mpikamban’ny Holafitra nasionalin’ny infirmiera sy ny biraom-paritra 23. Nanao fanambarana ny filohan’ny holafitra, Andrianarison […]
Ho fisorohana ny loza mialoha: nofanina ny mpamantatra ny toetry ny andro
Natao tamin’ity herinandro ity ny fampiofanana mahakasika ny fanairana sy fampitandremana mialoha ny loza mety hitranga, hisorohana ny fahavoazana mihoa-pampana rehefa misy loza voajanahary, indrindra ny rivodoza izay mpahazo antsika. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo masoivoho nasionaly sy isam-paritra mikirakira ny famantarana ny toetry ny andro. Hahomby ny sori-dalana omena […]
Asa amin’ny “Web”: hanofana maimaimpoana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika
Manana ny hoaviny ny asa amin’ny Web ary mbola malalaka tsara ny tsenan’ny asa mifandraika amin’izany. Mila olona mahafehy ny asa ny tsena eto an-toerana sy any ivelany ka izay no nanosika ny minisiteran’ny Fampianarana teknika hanofana tanora. Betsaka ny tolotrasa miompana amin’ny Web mikirakira “internet” fa tsy ampy fiofanana […]
EPP sy CEG eto Antananarivo : ampanofain’ny mpitantana antsokotsoko
Nampiantso ireo tomponandraikitra momba ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ny CUA, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco, ireo talen-tsekoly eny amin’ny EPP sy CEG…). Nisongadina tamin’ izany fa misy amin’ireo mpitantana sekoly manjakazaka tsy an-kiera amin’ny kaominina amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa izay an’ny kaominina ny fitantanana azy. Mahazo […]




