Fiaraha-monina

Saina mena: tsy sahy miala ny tranony ny olona

Tsy mbola niala tamin’ny trano fonenany ireo mponina eny Andohalo, ambanin’Am­pa­hamarinana, raha ny zava-misy teny an-toerana, omaly. Herinandro mahery taorian’ny nametrahan’ny BNGRC sy ny Kaominina ny saina mena teny amin’ireo faritra atahorana hihotsahan’ny tany eto An­tananarivo. Ho an’ireo mponina, tsy mahafoy ny hiala ao amin’ny trano fonenany izy ireo amin’ny […]

Malagasy ho any Chine: niova ny fepetra ara-pahasalamana arahina

Nanazava ny amin’ ny fitsipika ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ho an’ny mpandeha avy eto Madagasikara ka hihazo an’i Chine, ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana. Manomboka ny 8 janoary 2023 izao, ireo mpandeha fiaramanidina hihazo an’i Chine dia tsy maintsy manao fitiliana test PCR, 48 ora mialo­han’ny handraisany ny sidina mivantana […]

Bekily , Ampanihy, Betroka, Amboasary Atsimo: tokantrano 8 amin’ny 10 mitofezaky ny hanoanana

Fianakaviana amin’ny tokantrano maro ao amin’ ny distrikan’i Bekily, Am­panihy, Betroka sy Am­bo­a­sary Atsimo no manana olana amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Efa tena miaina ambany fetran’ny fahantrana tanteraka izy ireo raha ny tatitra niraisan’ny sehatra samihafa manara-maso ny fanjarian-tsakafo «Sécu­rité Alimentaire Nutrition et Alerte Précoce». Raha ny antontanisa dia tokantrano 8 […]

Misafoaka ny Seces : mampiharihary ny fitsarana miangatra ny fanamelohana ny talen’ny Crou-A

Tsy nitsitsy fitenenana ny Seces sampana Antananarivo naneho ny alahelony manoloana ny fanasaziana tsy am-piheverana ny talen’ny Crou-A. Manaporofo ny fitsarana miangatra sy ny fampanjakana ny gaboraraka eny amin’ny oniversite ny zava-misy. Manaratsy endrika ny fitondrana ny tranga toy izao, hoy ny Seces. Mitroatra ny Sen­di­kan’ny Mpam­pia­natra-Mpika­roka sy Mpikaroka-Mpa­m­pianatra, Sampana […]