Hankalazaina ny 8 marsa ho avy izao, any Toamasina, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy raha ny eto Madagasikara. Efa vonona tanteraka ny any an-toerana, amin’izao fotoana izao, handray sy hampiantrano izany. “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso” ny lohahevitry ny hetsika. Mandritra ny herinandro ny lamim-pankalazana izany. Efa […]
Fiaraha-monina
PhaGDis : nankasitrahana ireo mpamatsy fanafody
78 ireo mpamatsy fanafody ambongadiny eny anivon’ny distrika na PhaGDis nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID tamin’ny alalan’ny tetikasa “Impact”. Ireo ekipan’ny PhaGDis ireo no manome toky ny fisitrahana fitaovana ara-pahasalamana sy fanafody manavotra ain’olona eny ifotony. Mamatsy ireo farmasia madinika eny anivon’ny kaominina izy ireo. Miantoka ny […]
Efa nivoaka any an-dranomasina : mbola hitondra rotsakorana betsaka ilay andro ratsy
Mbola hitohy ny rotsakorana na efa nivoaka an-dranomasina aza ilay andro ratsy. Ho an’ny afovoantany, hanjombona ny andro ary mety hisy orana malefaka indraindray. Nivoaka an-dranomasina teo amin’ny manodidina ny distrikan’i Ambanja, omaly, ny ivon’ ilay faritra andro ratsy. Manohy ny diany miakandrefana somary atsimo andrefana izy. Araka ny vinavina, […]
Ankatoky ny 8 marsa : mila hasongadina ny zava-bitan’ny vehivavy
Ankatoky ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy isika izao. Manamarika ny iray volan’ireo vehivavy izay nandrafitra ny tantara ihany koa i Etazonia. Fotoana handinihina ny anjara biriky entin’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ny firenena rahateo izao. Maneho fahavononana i Etazonia hanohana ny vehivavy amin’ ny sehatry ny fihariana, ny politika sy ny […]
herinandrom-bokatra – RFF : homarihina amin’ny hetsika maro
Ao anatin’izao fotoanan’ny karemy izao, miatrika ny herinandrom-bokatra ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF), ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Manomboka amin’ity alatsinainy ity izany, ka hetsika maro toy ny fanabeazana, dinidinika, fitorian-teny an-kira sy fanatanjahantena no hanamarihana izany. Lohahevitra mikasika ny fananahana, ny hisantaran’izy ireo ity andro voalohany ity. Rahampitso […]





