Fiaraha-monina

Zokiolona : arahina ny tetiandro fizarana fisotroan-dronono

Nivoaka ny tetiandro fizarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ho an’ny volana marsa. Mana­raka ha­trany ny fitsinjaran’ny laharana ny fandraisana izany hisian’ny lamina. Hanomboka rahampitso 8 marsa ny fizarana eto amin’ ny faritra Analamanga ho an’ ny eny anivon’ireo perceptions principales (PP), trésorerie principale (TP), Trésorerie Principale Inter-communale (TPIC). […]

Meteo Madagasikara : mikarakara fifaninanana sary

Mikarakara fifaninanana manao sary ny Meteo Madaga­si­kara izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny toetry ny andro. Lohahevitra ny hoe « Lohalaharana amin’ny hetsika mahakasika ny toetr’andro » ary natokana ho an’ny mpianatra 7 hatramin’ny 17 taona. Manao sary mifandraika amin’ny lohahevitra maneho ireo asa sy hetsika […]

WMG sy InnerWheel : vehivavy sahirana 47 nahazo mari-pankasitrahana

Navoaka sy notolorana mari-pankasitrahana tetsy Andraharo ireo vehivavy sahirana. Hoesorina ao anatin’ny fahasaharinana sy hanomezana asa ho azy ireo no tena tanjon’ny fiofanana. Navoaka, omaly, tetsy Andraharo ireo vehi­vavy 47, andiany faha-12 sy 13. Niofana sy nianatra momba ny fianarana zaitra sy fanaovana “serviette hygiénique” azo sasana izy ireo. Nisy […]

Dr Andrianasolo Naivolalaina Eric : tsy misy antony hangalarana taova

Tsikaritra tato anatin’ny herinandro vitsy ny firaisankinan’ ny sendikan’ny dokotera mpitsabo (SMédFM), amin’ny fitazomana am-ponja ireo dokotera namany. Miray feo amin’ny holafitry ny dokotera ho fangatahana famotsorana azy ireo eo am-piandrasana ny fitsarana. Tetsy andaniny, nanazava ny filohan’ny holafitry ny mpi­tsabo, Andrianasolo Naivola­laina Eric, fa raha resaka fitsaboana dia tsy […]

Metiers du web –Toamasina: handray ireo tanora niofana ny mpampiasa

Hampitombo ny tahan’ny tanora misitraka asa sahaza ny fampiofanana faobe arahina fandraisana mpiasa mivantana amin’ny asan’ny web. Tanora miisa 200 tamin’ireo 800 namaly ny antso nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa no nanaraka fiofanana amin’ny Asan’ ny web, andiany voalohany, ao Toamasina. Tsy maintsy nandalo sivana izy ireo […]