Nitsidika ny fandrosoan’ny asa fanatsarana ny endriky ny tanànan’i Fianarantsoa, izay mahasarika vahiny sy mpizahatany ny masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika, i Arnaud Guillois, omaly. Nanotrona tany koa ny talen’ny Agence française de développement, Yves Guicuero sy ny talen’ny fampandrosoana maharitra ny tanàn-dehibe ao amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy […]
Fiaraha-monina
Fahasalamana : 10.387 ireo mitondra ny tsimokaretina VIH mihinam-panafody
« Andao hasandratsika ny fitoviana hanafoanana ny VIH/Sida ». Io no lohahevitry ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny VIH/Sida omaly. Toerana maromaro no nanamarihana izany. Anisan’izany ny tetsy amin’ny Parvis Analakely sy teny amin’ny Tour Orange ary ny tetsy Antaninarenina. Nanaovana hetsika maimaim-poana ara-pahasalamana, indrindra ny fitiliana ny tsimokaretina VIH sy ny aretina […]
Fanabeazana: mbola ankilabao ny manana fahasembanana
Notanterahina teny Mahamasina ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty, ny talata teo. Lohahevitra novoizina ny hoe, « Fanabeazana mampiaty : mampifandray, manaja ny fahasamihafana, mitondra fahatsarana ». Mbola miseholany eto amintsika ny fanavakavahana ireo ankizy manana fahasembanana, raha ny fitarainan’ireo fikambanana mpiahy azy ireny. Manaporofo izany indrindra ny tranga niseho […]
Sakafon’ny mpianatry ny EPP: nanaovana andrana ny vary notovonantsoa
Ny sira sy ny koba natokana ho an’ny zaza ihany aloha hatreto no sakafo notovonantsoa azo jifain’ny rehetra iadiana amin’ny tsy fahampiana singa mpamelona ilain’ny vatana. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny Ofisim-pirenena ny orinasa mpamokatra sira notovonana ioda sy fluor. Tokony ho sira efa notovonantsoa no amidy eny amin’ny […]
FID sy polisim-pirenena : arovana ny mpiasa manatanteraka ny fiahiana sosialy
Zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasan’ny fanjakana malagasy sahanin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid) sy ny minisitera. Anisan’ ny voakasika amin’izany ny fandriampahalemana mialoha, mandritra sy aorian’ny asa atao eny ifotony. Misy ny tetikasa momba ny fiahiana ara-tsosialy atao any ambanivohitra sy eny amin’ny tanàn-dehibe manerana ny Nosy ka sedra […]