Natolotra omaly, teny Ambatoroka, ny valin’ny fikarohana nataon’ny Centre de recherche et de développement eo anivon’ny UCM momba ny antony mitarika ny fialan’ny mpianatra an-daharana ka tsy ahatontosany ny ambaratonga faharoa. Nanohana ny fikarohana ny AUF amin’ny alalan’ny Agence française de développement anatin’ny tetikasa « Apprendre », hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny […]
Fiaraha-monina
Curesure Medico : “Ny aretina tsy mifindra no hitsaboan’ny Malagasy tena any India”
200 000 isan-taona ny afrikanina tonga mitsabo tena any amin’ireo hopitaly any India, indrindra ireo tratran’ny aretina tsy mifindra toy ny fo, voa, tratra… Tsy vitsy ny Malagasy misafidy ny hanaraka fitsaboana na fandidiana any an-toerana rehefa tsy vita eto amintsika. Hametraka fiaraha-miasa hanamorana ny fahazoan’ny Malagasy misitraka fitsaboana any […]
Sehatrasa maro : hatao manaraka ny fenitra
Notanterahina omaly, tetsy Ampefiloha, ny atrikasa ho amin’ny fampanaraham-penitra ireo tanora mpisehatra amin’ ny asa tanana. Nitarika izany ny komity (Copil), ahitana ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanofanana arakasa sy ny minisiteran’ny Asa tanana ary ny avy amin’ny Tahiry ho an’ny fanofanana (FMFP). Tanjona ny hametrahana rafitra ho amin’ny fanofanana ireo […]
Governoran’Analamanga-OIF : sefo fokontany 200 hofanina momba ny sora-piankohonana
Miainga eny amin’ny fokontany ny fanentanana ny reny hanoratra haingana ny zanany vao teraka eny amin’ny kaominina mba hisitraka kopia. Nofanina hahafantatra ny andraikiny ireo sefo fokontany 200.. Nosantarina teny amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, kaominina Ankadikely Ilafy ny fampiofanana ireo sefo fokontany mahakasika ny sora-piankohonana. Ireo sefo fokontany ireo no hivoy […]
tandindon-doza : tanora 27 niofana ho mpanentana
Niofana nandritra ny hateloana, tany Taolagnaro, ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo 27 hisahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (GRC) manerana ny Nosy, ny herinandro lasa teo. Hamafisina ny asa ho an’ny faritra hisehoan’ny loza matetika ka nametraka sahanasa fanentanana mialoha sy aorian’ny fiavian’ny loza ireo tanora miaraka amin’ny BNGRC. […]




