Fiaraha-monina

Antananarivo Renivohitra : mampiasa paompim-pokonolona ny 76,1%-n’ny mponina

Raha ny tatitry ny tetikasa Produir dia mirefy eo amin’ny 2 400 hatramin’ny 3 000 ha ny faritra sahirana eto Antanana­rivo Renivohitra. Mijaly rano ny ankamaroan’ireo mponina ao. Mampiasa paompim-pokonolona ny 76,1% amin’izy ireo. Mampiasa vovo na lavadrano kosa ny 15,4%. Ny 8% ihany no manana rano fisotro madio ao an-tokantranony. Manaporofo izany fa mbola […]

Distrikan’Ankazoabo : hazavaina amin’ny mponina ny Caid

Tanterahina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo ny famendrahana fanafody mamono moka isan-tokantrano (Caid). Mialohan’ny hanatanterahana izany, misy ny fanentanana ara-tsosialy sy fifanakalozan-kevitry ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Tanjona ny ialan’ny tahotra sy fiheveran-diso mahakasika ny Caid. Nitombo hatramin’ny 87% ny taham-paneken’ny tokantrano ny Caid nandritra ny herinandro fahatelo nanombohana raha 75% izany teny […]

AFT – Telo andro siantifika : misy ny fampisehoana mivantana ataon’ny mpianatra

Efa miroborobo any ivelany ny “intelligence artificielle” ary manomboka mahasarika ny tanora malagasy. Ahitana ny andinindininy momba izany eny amin’ny « Telo andro siantifika » izay natokana ho an’ny mpianatra ao amin’ny AFT Andavamamba. “Ny siansa amin’ny andavanandrom-piainana”. Io no lo­hahevitra hitondrana ny “Telo andro siantifika” karakarain’ny Alliance française d’Antana­na­rivo sy ny […]

Fikambanana TAO : omena tohana sy henoina ireo niharan’ny herisetra

Anisan’ny fanampiana ireo niharan’ny herisetra ny fihainoana azy ireo. Mba hanasitranana ny fery ao anatiny vokatry ny herisetra nianjady taminy. Hanatanteraka valandresaka etsy Analamahitsy ny fikambanana TAO, ny 2 sy ny 16 desambra izao, amin’ny 9 hatramin’ny 11 ora. Natokana ho an’ireo olona maherin’ny 18 taona, niharan’ ny herisetra na […]

Holafitry ny infirmier : dimy ny kandidà nirotsaka amin’ny fifidianana

Hotontosaina ny alakamisy 30 novambra izao ny fifidiana izay ho mpikambana vaovao ao anatin’ny birao hitantana ny Holafitry ny infirmier mandritra ny telo taona manaraka, araka ny fanazavana azo. Nanomboka ny 1 novambra ka hatramin’ny rahampitso ny fampielezan-kevitra ataon’ ny kandidà tsirairay avy, izay marihina fa lehilahy avokoa. Lisitra no […]