Paikady iray hifehezana ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida ny fikarakarana manokana ireo vondron’olona marefo. Fampisitrahana ny fitaovam-piarovana samihafa sy ny fandraisana an-tanana ho an’ireo efa miaina miaraka amin’ny tsimokaretina. Nanao fanairana ny fikambanana mpisehatra amin’ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida noho ny tsy fisian’ny fitaovana sy kojakoja fiarovana sy fandraisana an-tanana ampiasaina […]
Fiaraha-monina
Azafady Babako-Androy sy Anosy: Napetraka ho fady mihitsy ny fampanambadiana ny ankizy aloha loatra
Mbola maro ny faritra mampanambady ny zanany aloha loatra eto Madagasikara noho ny fahantrana lalina na ny fomban-drazana fa eo koa ny fifampitaoman’ny samy ankizy fotsiny. Mitera-doza ho an’ny fiarahamonina anefa izany ka tsy maintsy ilana vahaolana. Natao ho fady any Androy sy Anosy io fampanambadiana ny ankizy aloha loatra […]
Tsy mandrimandry
Sanatrian’ny vava tsy mahita afa-tsy toe-javatra miiba, fa tsy azo atao ny miray tsikombakomba amin’ny ratsy! Andao hiresaka momba ny tsy fandriampahalemana, anio. Trangam-piarahamonina maro no miseholany etsy sy eroa. Tsy vitan’ny mampihorohoro fa tena maharikoriko. Ny fiarahamonina iray manontolo no mamohehatra. Tsy fotoan’ny fifanomezan-tsiny sy fifampiampangana, na fifanilihana […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fiofanana FETP Frontline, hanamafisana ny traikefa ananan’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fiatrehana sy fisorohana ny valanaretina. Eo koa ny fanatsarana ny fandrindrana ny asa. Ilaina ny paikady mirindra sy fanaraha-maso hentitra hanatsarana ny fitsaboana sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Notanterahina tao Farafangana, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana ireo […]
Aretina “anevrisme fusiforme”: Mila fandidiana any Inde i Fanilo
Tratry ny aretina “anevrisme fusiforme” amin’izao fotoana izao, Randriamamonjy Fanilo, zanak’i Torcelin Randriamamonjy, mpanao gazety misahana ny fanatanjahantena ato amin’ny Gazety Taratra. Misy fibontsinana noho ny ra mivaingana ny lalandra ao amin’ny lohany havia, araka ny “scanner” natao taminy. Naiditra teny amin’ny hopitaly miaramila Homi, ny 3 marsa lasa teo, […]