Hitondra fampianarana manokana ho an’ireo mpandraharaha eto Madagasikara ny Dr Michael Reeves, izay mpandraharaha matihanina any ivelany sady filohan’ny Union school of theology. Kendrena amin’izany ireo kristianina mpandraharaha eto Madagasikara handray ny fifampizarana. Tanjona ny hahasahiana mijoro sy mitondra fampandrosoana tena izy, tsy misy fanambakana fa manana ny fijery marina […]
Fiaraha-monina
Fahasalamana : Zava-dehibe ny fitantanana angon-kevitra
Manampy betsaka amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fananana angon-kevitra. Antony hanohanan’i Etazonia ny tetikasa fitantanana izany. Miditra tsikelikely anatin’ny fahamatorana eo amin’ny fitantanana angon-kevitra, eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, i Madagasikara. Zava-dehibe ny fananana izany amin’ny fanaovana tombana sy vinan’asa eo amin’ity sehatra ity. “Mitondra fanampiana ho an’i Madagasikara izahay […]
Auto-école-CUA : Tokony hamafisina ny kalitaon’ny fampianarana
Manoloana ny goragora sy tandrevaka ataon’ireo mpitondra fiara, nanaitra ny sekoly mampianatra mamily fiarakodia rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hanamafy hatrany ny kalitaon’ny fampianarana omena ireo mpianatra. Tsy mijanona amin’ny fahaizana mitondra fiara fotsiny ny fampianarana fa eo koa ny fanabeazana amin’ny andraikitra, ny fanajana lalàna ary ny fifampitsinjovana […]
Sekolin’ny baolina kitra JSEM : Mankalaza ny fahadimy taona nijoroany
Tontosa ny sabotsy sy alahady teo, tetsy amin’ny Kianjan’i Betongolo, ny ivon’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny sekolin’ny baolina kitra JSEM. Fotoana nifaninanana teo amin’ny baolina kitra ho an’ireo katitakely latsaky ny 13 taona. Miisa 94 ireo mpandray anjara tamin’izany. Amin’ny novambra 2026 ho avy izao ny famaranana ny fankalazana. «Tanjona […]
Ady amin’ny fampiasana vokatra misy paraky : Nasongadina ny fomba fiaina ara-pahasalamana
« Ndao hiady amin’ny fiankinandoha amin’ny nikotina, ny paraky ary ny sigara” ny lohahevitra nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fihinanana paraky sy tsy fifohana sigara. Notanterahina tao Antsiranana ny hetsika. Natao hanentanana ny mponina hiaro ny fahasalamany sy handray anjara amin’ny ady amin’ny voka-dratsin’ny fifohana sigara. Nisy […]




