Fiaraha-monina

Produir- BNGRC : hiara-hiasa ho fiatrehana ny loza

Hiara-hiasa ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny tetikasa Produir. Tanjona manokana ny hanamafisana ny fiomanana amin’ny vonjy taitra sy ny fahaiza-mamaly eo anivon’ireo kaominina telo manodidina hiasan’ny tetikasa Produir (Anosizato Andrefana, Bemasoandro sy Andranonahoatra). Ankoatra izay, […]

Ambohimirary sy Anjeva: ankizy an-jatony nomena kilalao, tantsoroka ho an’ireo sahirana

Nizara kilalao ho an’ny ankizy ny fikambanana Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Hanolotra tantsoroka ho an’ny sahirana eny Ambohimirary kosa rahampitso. Nizara kilalao ho an’ny ankizy sahirana eo anivon’ny Paroisse Notre Dame de Fatima Ambohi­mirary, Ampasampito, ny Association Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Nitarika ny hetsika, natao ny […]

Ipam: natolotra ny paikady hamahana ny olan’ny mponina

Notanterahina tetsy Anosy, omaly, ny fivoriana ara-potoana niarahan’ny kaominina mivondrona ao anatin’ny Ivom-panajariana ny tanàn’Antananarivo sy ny manodidina (Ipam). Kaominina manodidina ny 40 no mandrafitra izany. Ahitana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny kaominina ao amin’ny distrikan’Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo. Nanolorana ny paikady mahakasika ny hamehezana sy hamahana ny olana sedrain’ny […]

Krismasy tao Toamasina: olona fito maty, 201 nandalo fizahana tao amin’ny Hopitalibe

Olona fito namoy ny ainy, raha 201 nandalo fizahana tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy tao Toamasina. Nahazo vahana ny tsatok’antsy… Niakatra ny tahan’ny olona nandalo fizaham-pahasalamana tao amin’ny sampana vonjitaitra ao amin’ny Hopitalibe Analankinina Toamasina, nandritra ny fetin’ny Krismasy teo. Tao anatin’ny efatr’andro, nahatratra 201 […]

Nanao sasakalina: lasan’ny jiolahy ny vilany feno laoka

Lasan’ny jiolahy ny entana sarobidy rehetra tao amina tokantrano iray eny Anosibe Mandrangobato I, ny alahady alina teo. Lasa nandeha namonjy sasakalina tamina fiangonana iray eny amin’ny manodidina ny fianakaviana tompon-trano ka nanao ny nataony koa ny jiolahy. Tsy vitan’izay fa nalain’ireo olon-dratsy hatramin’ny vilany feno laoka hiatrehana ny fety […]