Fiaraha-monina

Meteo: Nanome fitaovana avo lenta ny Pam

Serveur avo lenta no azon’ny foibe misahana ny famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara izay natolotry ny Pam, tamin’ity herinandro ity. Ity fitaovana ity dia hanatsara ny fitahirizana sy fanodinana antontanisa ara-toetr’andro, ary hampitombo ny fahamarinan’ny vinavina. Hanamora ihany koa ny fampidirana teknolojia vaovao toy ny faharanitan-tsaina artifisialy na […]

Avy amin’ny amerikanina : Fifanaraham-piaraha-miasa MOU, mitentina 134 tapitrisa dolara

Miara-mamolavola tetikasa hanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ny ekipan’ny minisitera sy ny amerikanina. Mitentina 134 taipitrsa dolara izany fiaraha-miasan’ny roa tonta izany. Roa andro ny fanatanterahana ny atrikasa natao tetsy amin’ny masoivoho amerikanina ma­ha­kasika ny vina iombonana sy famolavolana ny drafitra fampiharana voalohany ilay fifanaraham-piaraha-miasa MOU eo amin’ny sehatry […]

INDRAY MIJERY

Nisitraka fanohanana ara-pitaovana ho fanamafisana ny kalitaon’ny fanabeazana ny CEG sy ny lisea Antaninarenina, CISCO Toliara I, izay nahitana “tablettes” miisa 56, boky ho an’ny ambaratonga faharoa, boky siansa sy teknolojia ary fitaovana enti-mampianatra. Mikendry ny fanavaozana ny rafitra fanabeazana sy ny fanatsarana ny fampianarana izany. Manoloana ireo fitarainana sy […]

Sekoly sakaizan’ny rano : EPP 8 nahazo mari-pankasitrahana

Ny EPP Antsahabe, EPP 67 Ha Avaratra, EPP Mana­kambahiny, EPP Ambodimita, EPP Ampitatafika, EPP Man­droseza, EPP Ankadifotsy II ary ny EPP Amboditsiry. Ireo no voasokajy ho sekoly sakaizan’ny rano, fidiovana sy fa­nadiovana teto Antananarivo. Notolorana ny mari-pankasitrahana tao amin’ny EPP Antsahabe izy ireo tamin’ity herinandro ity. Nandalo dingana maro ny […]

oniversite tsy miankina : Hisy ny fakan-kevitra

Miantso ireo tompon’andraikitra avy amin’ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika amin’ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Hotanterahina ny 24 avrily izao izany eny amin’ny efitrano fivorian’ny minisitera eto Antananarivo. Solontena roa isaky ny toeram-piofanana no andrasana ka tokony handray […]