Natao teny Ambohidratrimo ny atrikasa manamafy ny andraikitr’ireo sehatrasa momba ny fanabeazana ho fandrindrana ny fiatrehana ny loza voajanahary mba tsy hisy akony loatra amin’ny fitohizan’ny asa fampianarana. Hahafahan’ny eny ifotony mifehy ny trangan-javatra tsy hiantraika mafy ka hanelingelina ny fampianarana no anton’ny atrikasa. Faritra 3 toa an’Antsirabe I, Sakaraha, […]
Fiaraha-monina
Fisitrahana fanafody maimaimpoana : raisina an-tanana ny ankizy sahirana miditra hopitaly
Sahirana ara-pivelomana avokoa ny 95% amin’ireo ankizy marary miditra ny hopitalim-panjakana. Mandray an-tanana ny fitsaboana azy ireo sy mizara fanafody maimaimpoana ny Compassion de Madagascar. Anisan’ny misitraka izany sy noraisina an-tanana koa ireo olona tena misedra aretina sarotra sitranina, toy ny homamiadana, nefa sahirana ara-pivelomana. Tanjona ny hanampiana ny ray […]
Ady amin’ny herisetra : fanamby maro hiarovana ny ankizy
Tany Bogota Colombie ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny herinandro teo, niatrika ny fivoriambe voalohany maneran-tany mahakasika ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy. Nampahafantarina, tamin’izany, ny ezaka sy ny zava-misy eto Madagasikara manodidina ny fiarovana ny ankizy iharan’ny herisetra. Napetraka ireo fanamby hotanterahina, toy ny […]
Ady amin’ny doro tanety: nivoaka ny drafitra ho fiatrehana ny hamehana
Mila paikady mazava sy mahomby ny ady amin’ny doro tanety. Izany indrindra no antony namolavolana ny drafitra entina hifehezana izany. Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny drafitra ho fiatrehana ny hamehana amin’ny doro tanety sy doro ala, niarahana tamin’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Totolo iainana. Noho ny firongatry ny fandoroana […]
Olan’ny herinaratra: Niketrika fitaovana ny VTM
Nampahafantatra ny fitaovana vitany, niainga amin’ny fikarohana nataony, ny Vondron’ny tanora (VTM). Nambaran’ny filohany, Rakotomalaza Desiré, fa anisan’ny antony nahatonga azy ireo nikaroka sy nitady vahaolana ny fahitana ny fahasahiranan’ny vahoaka eo amin’ny delestazy sy ny fahatapahan’ny herinaratra. Eo ny fahasimban’ny fitaovana rehefa miseho izany na koa fahapotehan’ny fihariana madinika […]