Toy ny fanaon’ny fikambanana isam-bolana, nisy ny fanadiovana faobe natao nanomboka teny amin’ny Zaimaika hatreny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny omaly 6 desambra. Ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina sy ny fahatsapan’ny fikambanan’ny mpivarotra eny amin’ny faritr’Analakely (Fimpizoa) ny anton’izany. Hetsika notanterahina niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) izay ny manohana […]
Fiaraha-monina
Nitokona ny mpianatry ny ENS: raikitra ny doro kodiarana tetsy Ampefiloha
Mitaky ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana ny mpianatra “normaliens” vita fiofanana. Nanapa-dalana tetsy Ampefiloha izy ireo, omaly. Nanomboka omaly ary tsy hijanona intsony ny hetsika fitokonana raha tsy tafavoaka ilay décret vitan’ny tomponandraikitra rehetra sonia manambara fa hatao laharam-pahamehana ny fandraisana ny mpianatra nivoaka tao amin’ny Ecole normale supérieure […]
Mpilatsaka an-tsitrapo: nanaovana asa tanamaro ny fankalazana
Nomarihina, omaly maraina, ny ivon’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo. Ankalazaina isaky ny faha-5 desambra ka nanaovan’izy ireo asa tanamaro, tafiditra anatin’ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina. Nanadiovana ny faritra manoloana ny ORTM (Ofisin’ny Radio Televiziona Malagasy) Anosy. Hajarian’ny minisitera ho zaridaina ny toerana aorian’izao hetsika izao. Ankoatra […]
Zokiolona : hanomboka amin’ny zoma ny fandraisana fisotroan-dronono
Voarindra hatrany ny tetiandro fandraisana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona misitraka izany eny amin’ny «Perceptions Principales», ny «Trésorerie Municipale d’Antananarivo» (TMA) sy ny «Trésorerie Ministérielle chargée de la Fonction publique» (Tminfop) ary ny «Trésorerie Principale Inter-communale »( Tpic). Hanomboka ny 9 desambra izao ny fandraisana izany vola izany ho an’ireo […]
« Opération Smile » : nankasitrahana ny mpiray ombo’antoka
Vita ny fitetezana ireo distrika , amin’ny lalam-pirenena fahafito, nitondrana tolotra ara-pahasalamana (ivelan’ny fandidiana) ho an’ireo olona sima molotra na vaky lanilany notontosaina nandritra ny 10 andro miaraka amin’ny «Opération Smile» sy ny mpiray ombon’antoka tao anatin’ny « Opération Smile tour ». 160 ny olona nisitraka ny tolotra nentin’ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’ny […]