Nodimandry ny alahady teo ny mpanao gazety eo anivon’ny radio Don Bosco (RDB), i Lalainasoarimbelo Malalanalinjara Aroldhia Lalaina na i Lalaina Nalinjara. 49 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao ary namela mananontena sy kamboty telo mianadahy. Am-polo taona maro no niasany tao amin’io haino aman-jery io ary efa nahazoany mari-pankasitrahana […]
Fiaraha-monina
77 taona ny tolom-panafahana : Tsinjovina manokana ireo bekotromaroholatra
Feno 77 taona ny tolom-panafahana izay hankalazaina ny 29 marsa 2024 ho avy izao. Nilaza ny komity mpikarakara fa hotsinjovina manokana ireo bekotromaroholatra… Ahina manokana ireo mpitolona tamin’ny 29 marsa 1947. Nisokatra ny fotoam-pivoriana voalohany notarihin’ny Tale misahana ireo mpiady tia Tanindrazana eo anivon’ny minisiteran’ ny Foloalindahy, ny Jly Randrianantenaina Emilson, tetsy […]
Antenimierampirenena : hofaizina mafy ireo mpanolana zaza
Nolanian’ny depiote 67 teny anivon’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny volavolan-dalàna 022/2024, tamin’ny 24 janoary 2024, nanitsiana ny lalàna momba ny famaizana ireo manao fanolanana zaza. Misy sokajy telo ny sazy amin’izany, arakaraka ny taonan’ny zaza voaolana: raha latsaky ny folo taona ny zaza, asa an-terivozona mandra-pahafaty no […]
Comores : mirongatra ny “cholera”
Manoloana ny firongatry ny valanaretina «cholera” ao Mozambika sy ny nosy Comores, namoaka naoty ny manam-pahefana ao amin’ny faritra Boeny ny amin’ny fepetra manokana tsy maintsy raisina. Miato avokoa, araka izany, ny sambo mpitondra mpandeha rehetra avy any Comores. Toraka izany, ny sidina ana habakabaka rehetra avy any Mayotte, miato […]
Aretin’ny taovam-pisefoana : mifarimbona amin’ny hopitaly maro ny CHU Andohatapenaka
Ho fandraisana an-tanana ny zaza madinika amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana dia misokatra ny sampandraharaha misahana izany etsy amin’ny CHU Andohatapenaka. Nanapa-kevitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka handrindra manokana ny fandraisana an-tanana ny zaza tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana izay mirongatra rehefa vanim-potoana toy izao. Mifarimbona, araka izany, ireo hopitaly maromaro amin’ ny fandraisana an-tanana ny […]





