Fiaraha-monina

Boriborintany I, II, III : nampianarina hanatsara ny fihariany ireo vehivavy

Ho fanatsarana ny fiveloman’ireo renim-pianakaviana, nanao ezaka fampiofanana fanatsarana fihariana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka fiofanana momba ny fanamboarana ranon-tsavony sy menaka fanorana ireo vehivavy 70 ao amin’ny boriborintany voalohany sy faharoa ary fahatelo. Niandraiketan’ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa amin’ny miankina sy ny tsy miankina izany. Hitohy ny 9 novambra […]

Fahasalamana : 23% ny mpianatra no tratran’ ny fikorontanana ara-tsaina

Manazava ny fomba fikoloana ny fahasalaman’ny saina Rabemananjara Lova Maël, mpandalina ny tontolon’ny fahasalamana ara-tsaina sy ny fiainan-tsoa, nandritra ny resaka natao tamin’ny eTalk. Mahavita manatratra tan­jona na kely na lehibe ireo olona milamin-tsaina. Na mandalo sedra mafy na mora dia mahavita miatrika izany. Mahomby amin’ny zavatra ataony ary manana […]

Harena voajanahary : hamafisina ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana

Hamafisina ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana harena an-kibon’ny tany ho an’i Madagasikara. Nisitraka fampiofanana manokana ireo mpisehatra amin’izany. Natolotry ny Bianco ho an’ ireo mpampiofana mpikaroka fandikan-dalàna ao amin’ny isan-tsokajiny ny takelaka fanamarihana fahafahana mampiofana ny votoatim-pampianarana momba ny ady amin’ny kolikoly, tetsy Anosy, ny zoma 25 oktobra […]

INDRAY MIJERY

Ankizy latsaky ny 15 taona miisa 300 no nisitraka fitsaboana maso maimaimpoana, omaly, tetsy amin’ny HJRA, sampandraharaha mitsabo ny maso. Fiaraha-miasa amin’ny tetikasa fitsaboana ny mason’ny ankizy sy fanofanana no nahafahana nanao izany. Hanofana mahakasika ny serasera sy ny fifandraisana ny fitaleavan’ny Serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, anio sy rahampitso. […]