Fiaraha-monina

Ady amin’ny VIH: ilaina ny mitady mpamatsy vola fanampiny

“Efa azo fehezina ny tsimokaretina VIH amin’izao fotoana izao. Satria, maro ny tolotra ahafahana mifehy ny fiparitahana sy ny fifindran’ny tsimokaretina indrindra ho an’ ireo olona efa mitondra ny VIH”, hoy ny mpandrindra ny Ainga Aides, Dr Ravelohanta Mananarisoa, ao anatin’ny tetikasa Rafitra eny ifotony fanairana momba ny VIH (Sycavi), […]

Ampefiloha Ambodirano : Fako 500 m3 nanentsina ny lakandrano

Andro aman’alina ny asa ataon’ireo ekipa isan-tsokajiny hanadiovana ny lakandrano sy ny tanàna hisorohana ny fiakaran’ny rano amin’ny fihavian’ny orana. Nanala ireo fako mitsingevana sy mavesatra teny amin’ny lakandrano amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano ny MDAT tamin’ny alalan’ ny ekipa teknika Apipa, notronin’ny teo anivon’ny Boribo­rintany IV sy ny SMA. Manodidina […]

Tohin’ny tetikasa « Haraton’Aina »: tafakatra 87 ireo distrika hisitraka ny fiahiana ny mpiara-belona

Miditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa “Haraton’Aina” ka nitombo ireo distrika hisitraka izany. Hampahaleo tena ara-pivelomana ireo ankohonana tena latsaka lalina anaty fahantrana no ezaka ao anatin’ireo fandaharanasa marolafy. Mifarana amin’ny faran’ ny volana oktobra izao ny tetikasa “Haraton’ Aina”, andiany voalohany izay naharitra 8 taona (2016-2024). Hanomboka eto indray […]

INDRAY MIJERY

Nosokafana teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana, ny sabotsy teo, ny taom-piasan’ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara (MTEM) 2024-2027, sy ny taom-panabeazana 2024-2025. Natolotra, nandritra izany, ireo mpitarika rehetra teo amin’ny Mpanazava, Tily, ny komity lehibe ary ny firaisan’ny mpanazava sy Tily Tranainy ary Sakaiza . Nofanina ireo mpiantsehatra mahakasika ny fampisakafoana […]

Faritra Amoron’i Mania : Betsaka ny olona voan’ny bilarziozy

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny maintany, manomboka ny volana aogositra hatramin’ny oktobra, ny fotoan’ny ady amin’ ny fangerena sy famaniana ankalamanjana, fototry ny aretina bilarziozy na takilodrano. Entanina ny olona hampitsahatra izany satria rehefa tonga ny rotsakorana, kaohin’ny ria­ka ny tay sy ny fivalanan-drano ka lasa eny amin’ny renirano, tanimbary ary lakandrano […]