Natolotra tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny vokatry ny fiofanana narahin’ ny mpampianatra sy mpianatra telo avy amin’ny fakiolten’ny Siansa tany Chine, momba ny vary safiotra. Nisongadina fa azo hampiharina eto Madagasikara ny famokarana vary safiotra ka ny vary ampiasaina isan’andro no ampivadiana amin’ny karazam-bary hafa, arakaraka ny vokatra […]
Fiaraha-monina
Fanatsarana ny fanabeazana : Tanterahina ny fakan-kevitra
Natao tamin’ity herinandro, eto Antananarivo, ity ny atrikasa fakan-kevitra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tanjona ny hanangona sy handravona fehin-kevitra ho fanatsarana ny rafi-pampianarana, hisian’ny fanavaozana eo amin’ity sehatra ity. Mandray anjara amin’izany ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo fikambanana samihafa, […]
Fikambanana ASOS: Nanao vaksiny miaro amin’ny Mpox
Tafiditra amin’ny Herinandro afrikanina ho an’ny fanaovam-baksiny ny hetsika nataon’ny mpanentana ara-pahasalamana ao amin’ny fikambanana ASOS. Nisitraka ny vaksiny miaro amin’ny tsimokaretina Mpox teny amin’ny sampandraharahan’ny distrikan’ny fahasalamam-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra, Isotry, tamin’ity herinandro ity, izy ireo. “Mpiara-miasa amin’ ny fikambanana ASOS ny mpanentana eny ifotony. Mila fiarovana izy ireo […]
Fanalan’ireo andian’olona ny filohan’ny FSM : Tranga melohin’ireo raiamandreny ara-panahy any Diego
Manoloana ny tranga fanalan’ireo andian’olona ny filohan’ny Silamo eto Madagasikara (FSM), Absouary Said Arsène, tetsy amin’ny Centre culturel Omar El-Farouk, 67 Ha Antananarivo, afakomaly. Nanao fanambarana ny raiamandreny ara-panahy sy ny filohan’ny Association Islamique any Diego Suarez. Nambaran’izy ireo fa efa olobe sy raiamandreny i Oustaz Absouary Said Arsène. Mpampianatra […]
Amin’ny sehatry ny asa: Marihina ny andron’ny soro-doza
“Miara-mientana isika ho an’ny filaminana ara-tsaina sy ara-tsosialy eny amin’ny toeram-piasana”. Io ny lohahevitra ifantohan’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny soro-doza sy ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa. Nisy ny fidinana ifotony notanterahan’ny minisiteran’ny Asa teny amin’ny orinasa tsy miankina, niarahana tamin’ny Cnaps sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary […]




